MATSIRO : BAOMBAO-VOANJO (anaty kasiraoly)

voanjo vita vaofy : 1 vera
siramamy : 1 vera
rano : 2 sotro
menaka diloilo hanosorana ny hazo fisaka (na marbra na takela-by) sy ny lasitra

1. endaso ho mendy tsara ny voanjo, ary totoy vaventy
2. manaova karamelina mivolombarahina amin'ny siramamy sy ny rano
3. arotsahy amin'ny karamelina ny voanjo, aroy tsara ary esory eo ambony afo
4. hosory menaka ny hazo fisaka iray, ka araraho eo ny voanjo mafana
5. velaro sy fisaho amin'ny tavoahangy nohosora-menaka, ary dia didio amin'ny antsy nohosora-menaka ihany koa

Marihina fa :
Azo kepoina amin'izao izy io na koa atao aingo na mofo mamy koa

TSIKY

Fomba mbola hajain'ny Malagasy fatratra moa ny hoe fady, fady ity !
Sendra niditra tao amin'ny efitra fisasana i Ketaka (3 taona) tonga dia niriotra nivaoka sady raikitahotra no nikiakiaka mafy :
- Neny a…., Neny a … ! (ary mitomany midradra)
- Fa maninona ianao sombinaiko ?
- I Dada…, i Dada….
Taitra mafy ny reniny voa nahare hoe I Dada ary lasa aingana nijery dRangahy vadiny sady notrotroina ihany I Ketaka kely :
- Jereo tsy maninona akory ny dadanao fa maninona ary ianao no mitomany ?
- I Dada…, I Dada…. apeniny, kay izy lehilahy fa izy sy teniteny an' Ineny mihisy

TARA-PAZAVANA

 

Izaho miantso Anao, ka namaly ahy Ianao, Andrimanitra ô ! Atongilano ny sofinao, ka henoy ny teniko Sal 17:6

RITSOKA

 

MIANGALY

Miangaly fitiavana ny herin'ny fo
Mitory fitiavana iray lalim-paka
Miangaly fitiavana iray tsy mba roa
Miangaly ireo vetso mba ho tafapaka

Miangaly fitiavana ny herin'ny fo
Mikaly ny kalo ho fitia volamena
Mifantina teny ho firavaka koa
Manefy ny tsara mba ho diadema

Miangaly fitiavana ny herin'ny fo
Mikajy ny angolam-pitia fiangoty
Mandrindra ny tsara tsy mety ho lo
Mivazo ny hiran'ny tsy eto'tsotry

Miangaly fitiavana ny herin'ny fo
Mikajy ny kanto natao ho doria
Maniry hatrany ny fitia tena soa
Maty fatorana tsy hikodia

VELO

KALOKALO HARIVARIVA

 

Moa vé ! (Mahaleo)

Moa ve diso ny tary
Raha somary mamon'ny fary
Sendra tafara-dia ka raiki-pitia tamin-dry
Tsy hitahita akory dia tafaraka natory
Nanjary saisay, tsy niahiahy niteny hoe :
"Ndao mody atao hoe tia ahy ianao"

Andao lazaina hoe mpifankatia
Izaho sy ndry
Na vetivety monja aza
Vetivety mafonja
Fitia tsy noterena
Fitiavana tena nomena
Any mety diso aho angamba
Tsy mihambahamba nanary lamba
Diso tia tafaotra
Ka nosendaotra sy nanaraotra
Voa sambany mitia dia tena very dia

Toy ny adaladala
Mifikitra tsy mety miala
Fitia navalon'ny taona
Ka tsarotsaroan rehefa mihaona
Tantaran'ny hatanorana
Tsy maintsy mitana tsy azo fafana
Nitsiry avy ao am-po
Nandrobona tokoa manenika ny tany
Tsy voafetra abefa izany
Andao mody atao hoe tia ahy ianao
Ndao lazaina hoe mpifankatia iazo sy ndry

INONA HONO HOE ?

 

Raha mahandro vary na "pâte" ianao ka tsy tianao andraotra, rarao menaka kely ny rano andraoina azy

OHABOLANA

 

Tsy mba ny sopanga mpiantedro vero aho, fa ny kijeja mifanafosafo amin'ny ahipalana.

IREO TEO ALOHA 0 - 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20

 

"En direct de tana"
Ces prix seront mis a jour régulièrement pour nous tenir au courant

Cours indicatif € (Banque centrale)
1 € = 6.618 FMG

Change banque primaire :
- Achat :
1 € = 6.289 FMG
- Vente : 1 € =
6.752.40 FMG

Parallèle :
- Achat : 1 € =
6.850 FMG
- Vente : 1 € =
6.990 FMG

Baguette : 1000 FMG
Gaz : 9,5 KG : 65.000 FMG/btle
------12.5 kg : 85.000 FMG/btle
Riz : 2.500 – 3.000 FMG/kg

Essence (station) : 5.520 FMG/l
Super : 6 990 FMG/l (disponible station)
Gas-oil : 4.130 FMG/l
Pétrole 3.580 FMG/l

Huile : 9.000 FMG/l
Sucre : 5.000 FMG/kg
Oeuf : 650 - 800 FMG/pièce
Viande de zébu : 13.000 FMG/kg
Viande de porc : 20.000 FMG/kg
Poulet de chair : 19.000 FMG/kg
Kitozan'amalona : 8.500 FMG/fehezany

Produits laitiers
Beurre pqte (250 g) 6.500 FMG
Lait : 4 500 FMG/l
Yaourt : 1.200 FMG/pot
Fromage : 47.500 FMG/kg

Complément d'info :
SMIG Malgache (brut) :
Secteur privé : 180.090 FMG
Secteur public : 255.790 FMG

App. conf. 1 pièce en ville : ± 500.000FMG
Cigarettes : 2.500 - 4.000 FMG/pqt
Gros sel : 3.000 FMG/kg
Allumettes : 200-250 FMG/pqt
Farine : 6.000 FMG/kg

Cinéma : 5.000 – 10.000 FMG/billet

Ny vokatra :

Tsidrin-tsakafo *
- Pibasy (nèfle) : 3.500 FMG/kg
- Frezy : 6.000 FMG/kg
- Papay : 3.500 FMG/kg
- Manga : 3.500 FMG/kilao
- Mandarinina : 13.000 FMG/kilao
- Akondro : 3.000 FMG/kg

- Mananasy: 2.000 -5.000 FMG/iray

Legioma sy ny anana : *
- pitipoa : 500 fmg/kapaoka
- kitozan'amalona : 8.500 fmg/fehezany
- laisoa : 1500-4000 FMG/pièce
- tsaramaso lena : 1.000 fmg/kapaoka (flageolet)
- voatabia : 5.000 fmg/kg
- tongolobe : 3.500 – 7 500 fmg/kg (oignon)

* vidiny any an-tsena

Infos du 21.10.2002 --- Merci à N.