|
|
I
NENY
Fantatrareo ve i Neny ?
Indray andro hono, naniry zaza fahatelo
Vavikely iray izy sy i Dada
9 volana taty aoriana
Tonga teto an-tany aho
Nanomboka teo ny tantaranay
Fony aho mbola zaza
Raha sendra tomany aho
Azoko toky fa teo izy
Hitamby ahy sy hanome hery ahy
Hany ka raha taty aoriana aza
Raha tsy metimety izay aho
Tonga dia fantany
Ka vonona foana izy hitahy ahy
I neny dia olona azoko
Hitantaraina izay tiako rehetra
Na inona na inona izany
Fony aho mbola zatovo, eny,
na hatram'izao aza
Indraindray toa hadinoko
Hoe i Neny ange io
Satria, toy ny rahavaviko
Na namako akaiky indrindra
No nahitako azy.
Ary na dia lavitra aza
No misy azy ankehitriny
Raha vao misy zavatra
Mahafaly ahy, momba ny fiainanko
Na ny olon-tiako
Na koa mampahalahelo ahy
Tonga dia any amin'i neny
Ny heritreritro :
"Andeha aingana aho
hanoratra an'i Neny !"
|
Ny hany mba tena iriko mafy
dia mafy
Dia enga anie
Ho mafy toy izany koa
Ny fitiavana misy eo aminay sy ny zanako
Rehefa indray andro aho
Ho tonga renim-pianakaviana
Satria tsy mahafantatra
Olona tena tsara fo toa azy aho
Eto amin'ity tany diavintsika ity
Eo tokoa ireo hanatra izay
Homeny ahy matetika
Momba ny fiananana
Izay nokajaiko
Mba tsy hohadinoko mandrakizay
Ka azoko hampitaina
Amin'ny faramandimbiko.
Ary eny, fantatro tokoa
Fa sarotra aminy sy amiko ny fisarahana
Fa ny hany mba mankahery ahy
Dia ny tsikin'ny masony
Izay hitako isa-maraina
Isan-kariva ato am-poko
IKALAPOSY
SEPT
2002
|
MATSIRO
: Ro-dravimbomanga
 |
. Hena omby matavitavy
. Ravim-bomanga
. Voatabia
. Menaka (1 sotro)
. Sira
1 - Endadasina kely ao anaty vilany ny hena voatetika avy eo koa
ny voatabia efa no silasilahina
2 - Arotsaka ny rano sy ny sira ary avela eo ambony ny afo eo amin'ny
3/4 ora
3 - Arotsaka ny anana ary avela alemy miaraka amin'ny hena
4 - Arohina tsara aloha ny andoarana azy.
Marihina fa :
- azo asiana tsara maso lena na sosety kely koa - andrahona miaraka
amin'ny hena alohan'ny androtsahana ny anana (na koa patsa mena
kely)
- ampiarao @ trondro endasina angé na kotileta !
Izany ka tena sakafo ! ! !
|
TSIKY
|

|
- Manao ahoana leisy ilahay
r'i Lita, ela leisy izany, andao aloha mba hiaraka hisotro zavatra
kely é ?
- Tena mbola maika ao izao, fa hividy fanomezana ho an'i fofombadiko
fa fetin'ny anio !
- Andeha hilanona izany ianareo roa, sambatra leisy ianareo !
- Izany eo ihany fa ny tena maha vaky ny lohako dia izay homena
azy satria tsy te andany vola bé ao kanefa koa tsy maintsy
mba zavatra mahafaly azy !
- Tsotra leisy izany a ! hividiano lokomena fanao amin'ny molotra
izy, amin'izay tsy ho very mihitsy ny volan'ialahay isaky ny manoroka
azy ilahay, izy koa ho faly.
|
TARA-PAZAVANA
|

|
Aza malahelo
no fonareo minoa an'Andriamanitra ary mino Ahy koa - Jaona 14:1
|
RITSOKA
|

|
FASANA
FAHAROA
Ilay fasako, fasako ihany,
fa ny foko dia fasana koa!
Io no fasako ivelan'ny tany,
Io no fasako iray, faharoa!
Tsy mba vero na mba rangolahy,
no manafina an'io fasana io
fa ny nofoko zary manahy
no mandrakotra omaly sy anio.
Sentosentoko mamelovelo,
ranomaso, toloko tsy tana
Izy ireny no sarin'avelo
mitampody ka sarotra ialana
Ao ny nofy novolavolaina,
izay nisinda nalaky, tsy hita!
Ao no rendrika ilay nantenaina,
ilay sambo nataoko ho tafita!
|
Ao ny tsantan'ny
andro taloha
sy ny hiran'ny fahazazako
no milevina ka tsy mifoha,
na miverina mba hitondra ako!
Ao ny zava-drehetra voakasa,
saingy simba, ka very tadidy!
Ao ny taolan'ny androko lasa,
sy ny ora tsy masi-mandidy!
Ao ny nofo nikipaka mora,
ao ny maty daholo daholo!
Ao malazo na mbola tanora,
ka mianjera tsy mana-mpisolo!
Ilay fasako, fasana ihany,
fa ny foko dia fasana koa!
Io no fasako ivelan'ny tany,
Io no fasako iray faharoa!
J.J. RABEARIVELO
|
KALOKALO
HARIVARIVA
|

|
Hiram-pirenena
Malagasy
1- Ry Tanindrazanay malala ô,
Ry Madagasikara soa,
Ny fitiavanay anao tsy miala,
Fa ho anao, ho anao doria tokoa.
FAMERENANA
Tahionao, ry Zanahary
'Ty Nosin-drazanay ity
Hiadana sy ho finaritra:
He sambatra tokoa izahay
|
2-
Ry Tanindrazanay malala ô,
Irinay mba hanompoana anao
Ny tena sy fo, fanahy anananay
'Zay sarobidy sy mendrika tokoa
3- Ry Tanindrazanay malala ô,
Irinay mba hitahiana anao
Ka ilay Nahary izao tontolo izao
No fototra ijoroan'ny satanao. |
INONA
HONO HOE ?
|

|
Voany sery sa
gripa ianao ? Mampangotra ravin-kinina potsy sy ravin-goavy ary
ravim-boasary mitovy ny habetsahiny - atao evoka - ho hitanao angé
é !!!!!
|
OHABOLANA
|

|
Andriamanitra
tsy omen-tsiny, zanahary tsy omen-pondro fa ny olombelona no be
siasia
|
IREO TEO ALOHA
0
- 1 -
2 - 3 -
4 - 5 - 6
- 7 - 8 - 9
- 10 - 11 -
12 - 13 - 14
- 15 - 16
- 17 - 18 -
19 - 20
|
|
"En direct
de tana"
Ces prix seront mis a jour régulièrement
pour nous tenir au courant
Cours indicatif € (Banque centrale)
1 € = 6.702 FMG 
Change banque primaire :
- Achat : 1 € = 6.393,125 FMG

- Vente : 1 € = 6.744,25 FMG
Parallèle :
- Achat : 1 € = 6.700 FMG
- Vente : 1 € = 6.990
FMG
Baguette : 1000 FMG
Gaz (12,5kg) : 75.000 FMG 
Riz : 2.500 3.000 FMG/kg
Essence (station) : 5.520 FMG/l 
Super : disponible
Gas-oil : 4.130 FMG/l
Pétrole 3.580 FMG/l
Huile : 9.000 FMG/l
Sucre : 5.500 FMG/kg
Oeuf : 600 FMG/pièce
Viande de zébu : 13.000 FMG/kg
Viande de porc : 20.000 FMG/kg
Poulet de chair : 19.000 FMG/kg
Kitozan'amalona : 8.500 FMG/fehezany
Produits laitiers
Beurre pqte (250 g) 6.500 FMG
Lait : 4 500 FMG/l
Yaourt : 1.200 FMG/pot
Fromage : 47.500 FMG/kg
Complément d'info :
SMIG Malgache (brut) :
Secteur privé : 180.090 FMG
Secteur public : 255.790 FMG
App. conf. 1 pièce en ville : ± 500.000FMG
Cigarettes : 2.500 - 4.000 FMG/pqt 
Gros sel : 3.000 FMG/kg 
Allumettes : 250 FMG/pqt
Farine : 6.000 FMG/kg
Cinéma : 5.000 10.000 FMG/billet
Ny vokatra :
Tsidrin-tsakafo *
- Pibasy (nèfle) : 3.500 FMG/kg
- Frezy : 7.500 FMG/kg
- Papay : 3.500 FMG/kg
- Manga : 500 FMG/singany
- Mandarinina : 8.500 FMG/kilao 
- Akondro : 3.000 FMG/kg
- Mananasy: 2.000 -5.000 FMG/iray
Legioma sy ny anana : *
- pitipoa : 750 fmg/kapaoka
- kitozan'amalona : 8.500 fmg/fehezany
- laisoa : 1500-4000 FMG/pièce
- sosety 2.000 FMG/Toko
- tsaramaso lena : 1.000 fmg/kapaoka (flageolet)
- voatabia : 5.000 fmg/kg
- tongolobe : 3.500 7 500 fmg/kg (oignon)
* vidiny any an-tsena
Infos du 07.10.2002 --- Merci
à N.
|
|