MATSIRO : Kitoza

Nofon-kena omby na nofon-kenan-kisoa
Vovo -tsira

1 - Sasao ary didiho manify mitohy lavalava ny hena
2 - Votonsy sira
3 - Asio tady mihantona eo ambony fatana ka ahantony eo ny hena mandritra ny 2 na 3 andro. Na koa ahazo amn'ny masoandro
4 - Rehefa maina tsara, dia tahirizo ao anaty boaty mihidy
5 - isaky ny te-hihinana azy dia endasina amin'ny lapoaly miaraka amin'ny menaka mafana

Marihina fa :
- azo asiana dipaovra koa ny kitoza
- aroso miaraka amin'ny sosoa, na koa vary ami'ny vary amin'anana
- tena tsara ho any vehivavy mampinono miaraka amin'ny vary maina sy ro-patsa
- azo takonana lamba manify na lay ny kitoza mihary raha tsy tiana ho tratry ny lalitra

Ankafizo ! ! !

TSIKY

- Raha izao no ADAMA tsy oatr’izao mihitsy ny teto an-tany ka !

- Fa nahaona kosa ?

- Ka satria ange izaho tsy tia paoma é !!!!

- ????

TARA-PAZAVANA

 

Matahora an’i Jehovah, ianareo olony masina, fa tsy hanan-java mahory izay matahotra azy. Sal. 34 - 9

RITSOKA

 

NY HALEMEM-PANAHY

Ny halemem-panahy, no toetra mampiravo,
Hitari-dalana ahy, hamonjy toerana avo.

Ny vatana sy saina, salama sy tomady,
Dia hery tena ilaina, hoenti-miatrika ady.

Kanefa ireny tsy ampy, raha tiana hodinganina,
Ny morona solampin'ny teva-mahafanina.

Fa ny halemem-panahy, no toy ny singam-bolo,
Mijoro sady sahy, hibaiko ny tontolo.

Handavo irony vositra, sy ny hevitra bontolony,
No sady hampadositra, ny saina bobongolony.


Sedera RAVALISON

KALOKALO HARIVARIVA

 

Matoa (Tonon-kira dRamaroson Wilson)

Matoa é ! manonja 'ty moron'ny rano
Dia nisy ny rivo-nitsoka azy tao
Matoa koa ny masoko manganoanohano
Tsy afa fa tena alaheloko anao !

Matoa e ! mijojo sy avy ny orana
Dia efa mandrahona izy io anikeo
Matoa koa ny foko no mangorangorana
Dia manina te-ho eny akaikinareo

Matoa misy kalo mandresy ny akora
D'izany no hira manala toloko
Matoa koa ny masoko akimpiko mora
Dia maika habanjina anao ao am-poko

TAPITRA NY FIALAMBOLY (Henri RATSIMBAZAFY )

Tapitra ny fialamboly 'ndeha hianatra izahay
ka hiverina any an-tsekoly hifankahita indray
sahala amin'ny andro fety, tomefy ny arabe,
samy manao metimety ny ankizy maro be
Tena mila tsy ho andry ity andro anio ity,
alina efa tsy tafandr fa dodona ery.

1 - Hatry ny omaly no efa vonona daholo
boky, penina kahie, ary tsy adino koa ny nanamboatra volo ahatsara ny tarehy.
Na ireo fitaovana na ny akanjo anaovana
samy mbola mahaliana fa vao avy novidiana,
tojo izay nirina !!
fa....

2 - Hita eny amin'ny endrika sy saina miramirana
jenijenitra ery, misomebiseby tsy ho diso fidirana
manafaingana ny dia.
'Ndreo mifanaretsaka ny fiarakaretsaka
sy ireo fiarabe hipokipoka mpandeha
manao taingim-be
fa.......


Mazotoa sy mahereza daholo ho an'ireo izay hiverina hianatra atsy ho atsy.

INONA HONO HOE ?

 

Halemy tsara ny hena raha toa ka fonosina ravim-papay mandritra ny adiny 3 eo eo !

OHABOLANA

 

Ny teny malemy mahamora harena

IREO TEO ALOHA 0 - 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20

"En direct de tana"
Ces prix seront mis a jour régulièrement pour nous tenir au courant

Cours indicatif € (Banque centrale)
1 € = 6.634 FMG

Change banque primaire :
- Achat :
1 € = 6.302,30 FMG
- Vente : 1 € =
6.766,68 FMG

Parallèle :
- Achat : 1 € =
6.700 FMG
- Vente : 1 € =
6.990 FMG

Baguette : 1000 FMG
Gaz (12,5kg) : 75.000 FMG
Riz : 2.500 – 3.000 FMG/kg

Essence (station) : 5.520 FMG/l
Essence (marché noir) : n'existe pus
Super : non disponible
Gas-oil : 4.130 FMG/l
Pétrole 3.580 FMG/l

Huile : 9.000 FMG/l
Sucre : 5.500 FMG/kg
Oeuf : 600 FMG/pièce
Viande de zébu : 13.000 FMG/kg
Viande de porc : 20.000 FMG/kg
Poulet de chair : 19.000 FMG/kg
Kitozan'amalona : 8.500 FMG/fehezany

Produits laitiers
Beurre pqte (250 g) 6.500 FMG
Lait : 4 500 FMG/l
Yaourt : 1.200 FMG/pot
Fromage : 47.500 FMG/kg

Complément d'info :
SMIG Malgache (brut) :
Secteur privé : 180.090 FMG
Secteur public : 255.790 FMG

App. conf. 1 pièce en ville : ± 500.000FMG
Cigarettes : 2.500 - 4.000 FMG/pqt
Gros sel : 3.000 FMG/kg
Allumettes : 250 FMG/pqt
Farine : 6.000 FMG/kg

Cinéma : 5.000 – 10.000 FMG/billet

Ny vokatra :

Tsidrin-tsakafo *
- Pibasy (nèfle) : 3.500 FMG/kg
- Frezy : 7.500 FMG/kg
- Papay : 3.500 FMG/kg
- Manga : 500 FMG/singany
- Mandarinina : 8.500 FMG/kilao
- Akondro : 3.000 FMG/kg

- Mananasy: 2.000 -5.000 FMG/pièce

Legioma sy ny anana : *
- voanjo-bory 2.000 FMG/kapoaka
- soa-flera: 2.500 – 4.500 FMG/pièce
- laisoa : 1500-4000 FMG/pièce
- sosety 2.000 FMG/Toko
- tsaramaso lena : 1.000 fmg/kapaoka (flageolet)
- voatabia : 5.000 fmg/kg
- tongolobe : 3.500 – 7 500 fmg/kg (oignon)

* vidiny any an-tsena

Infos du 11.09..2002 --- Merci à N.