RITSOKA

 

DADA,

Fony aho mbola zaza ,
I dada dia mazoto nitondra ahy
Haka rivotra vao maraina.

Nony injay feno 7 taona aho,
Vizaka mihitsy izy nitady valiny
An'ireo fanontaniako tsy misy fahatamperany.

Iza no mahavatra manao ny sakafoko maraina
Sy manaitra ahy ho an'i an-tsekoly ?
Mbola i dada ihany !

Taty aoriana indray,
Raha nisy tiako toerana aleha,
Vonona foana izy hanatitra sy haka ahy.

Nony tonga kosa ny andro nandehanako hianatra taty an-dafy
Tsy nisy nahateny intsony izahay mianaka
Hoy fotsiny hoe : "hendry tsara ny zanak'i dada an !"

Ka raha nampisehoiko azy ilay olon-tiako,
Dia noraisiny tamin'ny tanan-droa
Satria mahatoky ahy izy.

Any izao i dada e !
Hitako mihitsy i dada mitsiky mamaky an'ity, miaraka amin'i neny.
Izaho aty mahatsiaro, sady tena tia.

Ny zazakely - POUSSY

MATSIRO : Katilesy

ovy : 1 kg
toton-kena : ½ kg
tongolobe : 2 salan-tsalany
atody : 1
tongolay kotomila (persily tsinoa)
menaka
sira

1 - voasy ny ovy ary andrahoy
2 - rehefa masaka dia tsifina ny ranony ary potehina dieny mafana
3 - voasy ary teteo madinika ny tongolobe sy ny tongolo gasy, tetehina toa izany koa ny kotomila rehefa voasasa
4 - ampifangaroy tsara miaraka amin'ny ovy nopotsehina ny toton-kena, sy ireo voalaza eo ambony (3) ary ny sira
5 - raiso boribory amin' ny sotro hatsoboy ao anaty atody nokapoina ary arotsahay ao anaty menaka mafana
6 - avelao ho mendy tsara dia atsihifo tsara ny menaka

Marihina
a - Ny toton-kena dia ampiasana manta
b - Azo soloina lafarinina ny atody
d - Azo ho hanina mafana na mangatsiaka ary tsara kokoa raha ny ampitso aza
e - Azo ho hanina amin'izao asiana lafika salady, na atao laoka

Mazoto omana é!

TSIKY

- Tsy anao angaha, ilay entana tao anaty "sachet", napetraka tetsy iny ramose ?
- Ahy iny, fa nahoana ?
- Dia sahisahy mihitsy ianao izany mametrapetraka entana ety amoron-dàlana ety, ramose.
- Fa inona e ?
- Ka lasan'ny "mpisam" teo ilay entanao koa !
- Ka fako anie no ao anatin'iny e ! ... Fako saika hariako aty anatin'itsy fitoeram-pako itsy iny, fa mbola nividy zavatra tato aho, no nametraka azy teo !

TARA-PAZAVANA

 

Sambatra izay mino, nefa tsy nahita.

KALOKALO HARIVARIVA

 

Satry Faona (tonon-kira Tovo J'hay)

Efa ho ora iray no tafaray
Niara nikorana feno hafanana
Ireo mpankafy mozika sy dihy
Tsy mba malaina,
ho satriny foana aza hitohy Maraina
Ravo ery izay ts'izy, ireto ankizy milalao
Toa variana, toa sondriana, manao ny atao

Famerenana
Satry foana tsy mba hiala eo ) x 2
Satry faona hiangaly ilay feo ) x 2
Kotaba be ry zareo tsy mety leo
Miara-miangola, miaraka midola
Mirona aty, mankary, mankatsy
Korana tsy ho ravo raha tsy tsemboka
Ny tava
Ravo ery izay ts'izy, ireto ankizy milalo
Toa variana, toa sondriana, manao ny atao
Famerenena.....

INONA HONO HOE ?

 

Atsoboy ao anaty rano mangotraka ny sotro alohany angalana tantely (ranoniny) ; tsy iraikitra mihitsy ny tantely.

OHABOLANA

 

Anao ka mora ; fa raha an'olona aho dia sarotra

IREO TEO ALOHA 0 - 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20