MATSIRO : LASARY PAPAY

- Papay : 1
- togonlobe : 2
- Ranom-boasarimakirana na vinaingitra
- Menaka

1 - Voasy ny papay manta
2 - tetehina manify dia manify na kikisana
3 - tetehina ny tongolobe, ampifangaroy ny menaka sy ny vinaingitra dia araraho ao amin'ny papay.
Avelao hilona eo 30 minitra eo dia azo arosoy amin'izay.

Fanampiny
Azo asiana sakaybe sy dipaovatra ary tamotamo ny lasaosy vinaingitra alohan'ny ampifangarona azy amin'ny papay.

Tena raitra raha miaraka amin'ny vorovoron-kena sy henan-kisoa !

TSIKY

- Fa maninona indray io handrin'ialahy mivonto io, ry Donto ?
- Novelezin'i Maopera tamin'ny lakroa kely teny an-tenany io, ry dada !
- Nanao fahotana indray izay ialahy matoa nokapohany !
- Ny dikan'ny "Tabernakely" no nazavaiko dia avy hatrany dia nodonainany tamin'nilay lakroa kely iny ny lohako, ko !... Hoy izy hoe : inona no atao hoe : "Tabernakely" ? dia hoy ny navaliko : Ny Tabernakely dia zavatra kely noho ny Tabernabe !... Dia novandrany aho, no sady niteny izy hoe "fa inona ity tabernabe ?..." Dia hoy ny navaliko : "Ny Tabernabe dia zavatra lehibe noho ny tabernakely". Dia "Pan" hoy ny lakroa.

TARA-PAZAVANA

 

"Fa ny amin'ny fifankatiavan'ny mpirahalahy, dia tsy misy tokony hosoratako aminareo, satria ny tenanareo dia ampianarin'Andriamanitra hifankatia." Tesaloniana I - 4:9

RITSOKA

 

"Tanjona"

Ny any fifaliako
Sy tanjona itokiako
Ho tena fiadanako :
Mifankatia ny zanako.
"RADO"

KALOKALO HARIVARIVA

 

"Tahak'izay" : tonon-kiran'i POOPY

1 - Tsy nisy nanontany akory
Sady tsy nisy niteny izaho sy ianao
Herimpo avy hatrany
Naka toerana nitoetra niorim-paka teo
Dia niova ny fijery
Lasa ambentinbenteny ny anaranao, nafainainao ny fo
Nanjakanao koa ny loha
Dia nanaiky anao aho.

2 - Iza moa no hanam-po ny tantarantsika roa
tsy haharitra
Fa raha fantara mialoha dia naleoko ihany
aloha marimaritra
Tsy nihevitra ny hoe zary nofy ihany anie
izaho sy ianao
Ka tsy toetra fa andeha mbola handia lalan-davitra be

3 - Dia tsy nisy niteny
Tsy nisy fanazavana fa lasa ianao
Lasa toa nirenireny, tsy nitombona
Taraina ny fanahiko
Dia ny nenina sisa no averi-berina alin-kisa
Tsy hita ianao

4 - Manontany teny ihany
fa nahoana ny niafarany no toy izao
Nisy ve ny hadisoana no toa lasa an- tsokosoko nadao ianao
Fa voaratrana ny fo feno sento sy toloko,
marary aho
Mitaraina koa ny saina,valabalaka ny aina
milaza aminao
Saingy mitohy ny fiainana tsy afaka mijanona
miandry anao.

Famerenana
Tahak'izay aho tamin'niny tsy nibanjina nijery ny masonao
Tahak'izay aho mba nivily tsy nandray ny tananao hamihina ahy
Raha tsy izany rehetra izany dia ho faona ny fotoana niresahantsika roa
Dia tsy ho revo anao
Saingy indrisy hoy aho
Tsy afaka hiverin-dalana aho.

INONA HONO HOE ?

 

Fetinao anio, be laotra ny labozia tokony arehetra eo ambon'ny mofo mamy, mangala "spaghetti" iray areto ny lohany dia iny no ampiasao andretana ny labozia. Tsy ho sahirana ianao ary tsy ho may ny tananao.

IREO TEO ALOHA 0 - 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20