MATSIRO : Vary amin'anana

Hena omby : - ¼ kilao
Anana isan-karazany : - 2 tanana
Voatabia - 2 lehibe
Vary : - 2 Kapoaka
Menaka : - 2 sotro
Tongolay - 3
Tongolo raviny
Sakamalao
Rano sy sira

1 - Teteho madinika ny hena - harotsaka ao anaty menaka mafana
2 - Rehefa miendiendy ny hena dia arotsaka amin'izay ny tongolay voavofy avy eo dia ny voatabia voatetika ary kendrena mba tsy ho mahy.
4 - Arotsaka ny rano sy ny sira ary ny anana - tongolo raviny ary ny sakamalao samy voatetika madinika
3 - Andrahoy amin'ny afo malefaka mandritry ny 30 minitra
4 - Arotsahy ny vary ary afangaroy tsara - avela ho masaka

Fanampiny :
Azo hasiana : patsa mena kely, na voanjo-bory na tsaramaso na koa sosety voatetika izy io (ary andrahoina miaraka amin'ny hena alohan'ny handrotsahana ny anana sy ny vary ireo)
* Aroso mafana miaraka amin'ny Kitoza na saosisy na hena-baolina (aza adino ny sakay)


Andramo kely angé ! ! !

TSIKY

Sendra tafaresaka hono ny voro-manidina haingana indrindra sy ny akoho be matavy.
- Jereon'ialahy ry akoho vendrana, hoy ilay vorona, izahay tena sambatra mihitsy satria manana elatra Ka afa-manidina sy mandia izao tontolo izao. Tsy mba toa anareo akoho, tsy mba mahita afa-tsy ny tranonkelinareo.

Naka heritreritra kosa ary ilay akoho, ka hoy izy :
- Iza isika roa lahy no tena bado ? Raha samy hifanena any anaty vilany ihany leroa ka hataon'ireo olombelona sakafo, aleoko lavitra tsy mamiza-tena misidina, ka mihinana izay homeny ahy mandra-paha ... Miandry vokisana fotsiny, toy izay tifirin'izareo eny am-panidinana hoatran'ianareo a !
Amin'izay hoy ny fitenenana vahiny hoe "classe" ny fomba hanatamperako ny aiko.

TARA-PAZAVANA

 

Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho ; ary aza miherikerika faona, fa Izaho no Andriamanitrao. Mampahery anao aho sady mamonjy anao, ary mitantana anao amin'ny tanan-kavanana ny famarinana... Isaia 40:10

RITSOKA

 


Fony ianao voa zazakely......
hoy aho tamin'izany :

"Nisy, hono, eny, nisy
Fitiavana nandalo, tonga teto an-tranontsika
Ny masony dia baribary, ny tarehiny Sariaka
Dia nangataka, hono, izy io, hitendry hira sy mozika
Na hikalo moramora eo an-doha-fandrianao.....

Firy taona lasa izany ?
Toa voa omaly ihany !........

(Nalaina tao amin'ny Tononkalo ny RADO - "Anaka")
Ho zava-tsoa tokoa tokoa anie ny fiainan-dry rehetra ... tasé - s'pepo

IREO TEO ALOHA 0 - 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20