MATSIRO : Kitozan'amalona sy henan-kisoa

Henan-kisoa : - Tehezany sy sorony (1 kilao)
Kitozan'amalona : - Fehezany 3
Rano sy sira

1 - Esory ny fehezany ny kitozan'amalona ary alon-drano mangatsiaka mandritra ny ¼ adiny
2 - Endadasina kely ao anaty vilany ny henan-kisoa voatetika mba haka loko (tsy asiana menaka)
3 - Arotsaka ny rano ary avela ho masamasaka ny henan -kisoa
4 - Alefa amin'izay ny kitotazan'amalona ary aroina kely mba hifangaro amin'ny henan-kisoa
5 - Avela ho masaka tsara ary rehefa ritra tanteraka dia esorina eo ambony ny afo

Marihina fa :
Tsy azo aroina matetika io nahandro io mba tsy ho potika -
Arosoy miaraka amin'ny vary sy lasary voatabia ary roa mazava

Tena mafilotra an ! ! !

 

TSIKY

Efa namomboka folo minitra ny lalao iray tamin'ny Mondial indray andro, no tonga saina ilay mpitsara afovoany fa adinony ny karatra fanasaziana ny mpilalao. Naatony kely ny lalao ary nampiantsony ireo mpitsara an-jorony anakiroa.

- Loza, ry lehiretsy, fa adinoko any amin'ny vestiaire ny carton jaune sy ny caron rouge. Inona no atao ?

- Tsotra dia tsotra, hoy ny iray : raha raha-te hampiatra ny carton rouge ianao dia tsofy ny kiririoka ary dia asehoy ho hitan'ny rehetra ny lelanao !

- Ary raha te-hampiatra ny carton jaune kosa ianao, hoy ilay mpitsara iray nanohy, dia ny nifinao fotsiny no asehoy ho hita tsara. *

* Santionany nalaina tao amin'ny gazety TADY - FJKM Soamanandrariny (May 2002)

TARA-PAZAVANA

 

" Ary na inona na inona no angatahinareo amin'ny anarako, dia ataoko izany….. " Jaona 14 : 13

RITSOKA

 

ISAHIRANAKO

Raha mbola hain'ny tanako
ka zakan'ny fananako
dia isahiranako
rehefa ho an'ny zanako !


Rado
"Ho an'i H-M L sy I H-H C"

IREO TEO ALOHA 0 - 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20