|
|
|
|||||||
|
|
Matsiro | |||||||
|
Ron-kena sy ravimbaotavo Hen’omby misy taolana 1 – tetehina madinika ny hena ary alefa ao anaty vilany, avela ho ritra sy mendimendy ao Marihina fa : ...... andramo ange indrindra izao andro mangatsiaka izao ary mangala sakay tsy lany dimy lahy !!!!!! Ohay e!!!!!!!! Diso
fantatrao laotra fa " NY RAVIMBOATAVO" : |
||||||||
|
|
Taram-phazavana | |||||||
Andriamanitra mampianatra anao mba hahitanao soa, mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao. |
||||||||
|
Mahaliana
|
||||||||
![]() |
21 Marsa – TAOM-BAOVAON’NY MALAGASY
Ny faha 21 marsa ho avy izao no hankalazana ny taom-baovaon’ny Malagasy. Io no tena andro voalohany @ volana voalohany malagasy. Tsy notondrotondroina faona anefa io fa hita @ Astronomia sy Siantifika. Hafa kely ity tsinana 2004 ity satria hiara hiditra ao @ Antokom-bintana Alamahady (eo @ 0°) ny volana sy masoandro ny 21 mars @ 1 ora maraina sy 42 minitra. Tsy fahita firy izany toen-javatra izany satria matetika isan-taona dia efa tafiditra mialoha ao @ Alamahady ny masoandro voa miditra ny volana ka ny tsinana alamahady ankalazaina dia ny fidiran’ny volana ao @ s. Ny mampiavaka ity taom-baovao ity dia inefatra ihany no ahitana izany eo anelanelan’ny taona 1900 ka hatra@ taona 2050 : 21 marsa 1909 – 21 mars 1928 – 21 marsa 2004 21 marsa 2023. miverina indroa ny volana ao @ Alamahady alohan’ny ialan’ny masoandro ao @ antokom-bintana Alamahady ka manjary tsinana indroa ny alamahady ao @ taona iray. |
|||||||
| Eritreritra | ||||||||
|
:-)
|
Ny ketraka mora mivarina, miroraka, tonga kanosa ! Ny potraza nefa tafarina, Irene ka “olona” kosa ! (Ny Avana Ramanantoanina) |
|||||||
| Ohabolana | ||||||||
Imerina akanga tsy roa volo fa iray ihany |
||||||||
| Inona hono hoe ? | ||||||||
![]() |
Ireto avy ny morontsiraka tsara tarehy indrindra eto Madagasikara : AMBATOLOAKA : an’i Nosy Be no misy azy io – toeram-pitsangantsanganana tena be mpankafia – Ny trano fandraisambahiny dia tena mahafinaritra tokoa ary misy isafidianana ANAKAO : 30 km miala avy eo tànana ny Toliara no misy azy ary mbola mandeha botry voa tonga any. Ny lokony ny ranomasina dia tokana aman-tany. Toeram-pitsangantsanganana fanaova “surf” sy “planche à voile” ANDILANA : any faritra Nosy be ihany koa – toerana tena mahafinaritra – fotsy madio ny tora-pasika. Ifandrobahany vahiny – tsara ny manao famandriana aloha @ trano ipetrahana. ANTSIRAKAKIKY : Izany tora-pasika izany no mampiavaka azy @ Nosy Boraha any, avaratra atsinanan’i Toamasina. Lavitra ihany io toerana io. Ny jono andranomasina sy ny “plongée sous-marine” no tena mampalaza azy io. Toeram-pitsangantsanganana mbola tsy be mpitsika io toerana io ary miavaka indrindra @ karazan-javamaniry mampihaingo ny morona. Sationany ihany ireo fa betsaka ny morotsiraka tena mahafinaritra eto amintsika ary miandry an-tsika na an’i Andrefana na Atsinana, na Atsimo na Avaratra |
|||||||
| Ireo karazan’ny TONON’ANDRO MALAGASY na ZARA VINTANA (horoscope) : Alamahady – Adaoro – Adizaoza – Asorotany – Alahasaty – Asombola - Adimizana - Alakarabo - Alakaosy – Adijady – Adalo - Alahotsy | ||||||||
| Ny any aminay sy ny fomba fahiny | ||||||||
![]() |
NY FANDEVENANA : Samy manana ny azy isaky ny foko sy ny fiavin’ny maty. Any Androy ohatra dia mandritra ny volana maro no ankalazana ny nahafatesan’ny olona iray, ka vola tsy toko tsy forohina no ampiasaina @ izany indrindra fa ny harena sy ny biby fiompin’ilay maty. |
|||||||
| Indray mielatra i "Dago" | ||||||||
|
|
Dia inona indray ary ny vaovaon’i Dago @ izao Taona vaovao izo indray ? - Somary manjakazaka ny jiolahy @ izao fotoana ary betsaka mihitsy ny fanafihana indrindra fa ny trano ka mikaikaika ny vahaoka @ fandriampalemana - Miakatra hatrany ihany ny vidim-piainana eto gasikara, eny lasa tsy fiteny intsony ilay hoe : volan’anana, satria na ny anana aza dia efa tena lafo @ izao fotoana izao mihoatra @ fahefam-bidy ny be sy ny maro - Efa nivaoka daholo ireo vola vaovao Ariary |
|||||||
| Vanitika | ||||||||
|
|
- Nanakaiza leisy i Nenibe teo ? - Tsy ao izy ka ? - Fa lasa aiza fa anga izy afaka mandeha irery intsony ? - An ! an ! nisy ireny olona ireny manangona fanampiana izay foy ho an’ny mpitaiza zaza kamboty, tohiny : zavatra tonta na tsy ampiasaina intsony, dia nalefako any izy. |
|||||||
| Kalokalo takariva | ||||||||
|
|
ILAY TIAKO Eto anatrehan'Andriamanitra no anolorako ny fiainako Ilay tiako, ilay tiako Tsy hoe tiako izy ka fidiko fa nofidiko izy ka tiako |
|||||||
| Ritsoka | ||||||||
TSIARO FAONA Ora mamy toy ny ora mamy rehetra |
||||||||
| Raitra ny anarana malagasy | ||||||||
![]() |
Vavy : Dina – Diamondra - Domoina |
|||||||
| Fisavasavana | ||||||||
|
|
MANAO FIARON’AMBOALAHY ANTITRA : sady efa antitra izy no sorena fa tsy dia afaka manarampo mitady hanina, ka na dia taolana tsy laitrany intsony aza, dia tsy homeny velively ho an’ny sasany. Ny manao toy izany dia tsy manam-piheverana afa-tsy ny an’ny tenany. |
|||||||