DAGO SY NY SISA ...
Banque centrale : cours moyen pondéré :
1 € = 12.754 FMG

BP :
1 € =
vente : 13.391,70 FMG
achat : 12.116,30 FMG

Parallèle :
1 € =
vente : 12.650 FMG
achat : 12.225 FMG


(Marihina manokana fa ny an’i banky dia mbola misy sarany sy ny haba isan-karazany izay hazavainy @nao rehefa manakalo vola ianao)

Ny tsena :
Vary gasy na makoliaka : 4.250 FMG/kg
Hena omby : (mifangaro na nofon-kena) 15.000 – 18.000 FMG/kg
Hena-kisoa : 18.000 – 22.000 FMG/kilao
Voasary mandarina : 11.000 – 13.000 FMG/kilao
Mananasy : 3.000 – 6.000 FMG/ny iray
Voanjo-bory : 2.500 FMG/Kilao
Soflera : 2.500 – 3.500 FMG ny iray
Firezy : 5.000 FMG/kilao
Voatabia : 2.000 FMG/kilao
Karaoty : 1.000 FMG/toko
Pitipoa : 750 – 1.000 FMG/kapaoka
Gaz 12,5 kg : 128.500 FMG/tavoahangy

Ny vokatra amin'izao fotoana izao :

- Soflera – laisoa – poaro – voatabia – karaoty - pitipoa ary firezy ...

SORITANA MANOKANA FA : Ny vary dia misondrontra eo @ 50 FMG isan’andro eo eo ary @ izao fotoana izao voa mba mijanona @ vidiny satria nanafatra vary avy ivelany isika mba hanampiana

Tsara ho fantatra : Ireo vidina entana voalaza eo ambony ireo, dia vidin-javatra eny an-tsena fa tsy eny @ magazay akory an !!!


Dia amin'ny manarak'indray é !!!!

Isaorana manokana i N.
Anio : 23/09/2004

 

Raha toa ka te-handray anjara koa ianao ato amin'ity pejy Malagasy ity ... Aza misalasala, manorata ato amin'ity adiresy manaraka ity : koyot@mageos.com

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Matsiro  

Mofo mamy @ dibera (cake)

Siramamy : 200 gr
Atody : 4
Dibera : 150 gr
Lafarina : 200 gr
Lalovaina : 1 sotro kely

1- Kapohina ny atody 4 sy ny siramamy 200 gr ;
2- Arotsaka tsikelikely ny lafarinina, dibera ary lalivaina
3- Kapohina tsara ;
4- Hosorana dibera ny tsatoka mandeha ao anaty lafaoro, arotsaka ao ireo lafarinina, atody, siramamy… voakapoka ireo – avela homasaka ao anaty lafaoro eo @ 40 minitra eo eo –

Raha asiana voankazo toa ny voaloboka maina, na akondro na papay voantetika (somary endasina kely @ dibera), na hodina vaosary voakiky…. Dia mbola hatsiro kokoa.

Dia izay indray ny masaka androha…ny é !!!!!!!!
------------------------------------------------------------------------------------

Diso fantatrao laotra fa "NY AKONDRO " :

- Sahala ny voakanzo rehetra dia be otrik’aina, be nofony
- Maro karazana maneraza an’izao tontolo izao ; raha ny ento amintsika fotsiny dia ahitana ohatra : ny akondro esotra, ranjaly, lahy…
- Misy mandava-taona izy io
- Azo hanadiovana ny rantsan-tanàna ho an’ireo olona mifoka sigara (altivo ny hoditr’akondro dia kikiso @ play atin’ilay hoditra ny rantsan-tanana)
- Azo hanamaivanana ny ratra avy @ doro ihany koa raha tetitehina ny nofo ny akondro dia apetraka @ faritra may
- Mampody aina vetivety koa raha vizana
- Potrero ny akondro dia ahosory ny tarehy ka avelao eo mandritry ny 15 mn – esory ary kobany sy hosory menaka malefaka

Taram-phazavana

Misaora an’I Jehovah ry fanahiko ary izay rehetra ato anatiko misaora ny Anarany masina - Salamo 103 : 1

Mahaliana

Ny tsiambaratelon’ny torimaso

Tsy vitan’ny hoe fotoam-pialan-tsasatra sy fakana aina ny torimaso fa fitaovana iray enti-miatrika ny fiainana amin’ny ankapobeny. Raha tsy ampy torimaso mantsy ianao dia mahita olàna eo amin’ny fiainana ary misy fiantraikany eo amin’ny fahasalamana.  

Misy ny tsiambaratelo mikasika azy ity indrindra eo amin’ny resaka nofy izay azo hazavaina ihany araka ny nambaran’ireo mpandinika. Indro atolotra amin’ity pejy hafa kely ity ny mikasika izany rehetra izany!

Ny soa avy amin’ny torimaso

Arakaraky ny hatsaran’ny alina no maha tsara ny andro ka izay no tena maha-zava-dehibe ny torimaso. Diso araka izany ny eritreritry ny maro raha mihevitra fa rehefa miha-lehibe dia tsy mila torimaso intsony. Araka ny fijerin’ireo mpitsabo mantsy dia isan’ny fitaovana iray maha-ela velona ny torimaso tsara.

Ny torimaso sy ny saina

Tsy natokana ho an’ny fialan-tsasatry ny vatana sy ny saina fotsiny ny torimaso fa mandritry ny alina dia fantaro fa miasa mafy ny “neurones” ka mandinika izay olàna nianjady nandritry ny andro. Izay rahateo no mahatonga ilay fitenenana manao hoe “Ny alina mitondra fisainana” (La nuit porte conseil). Araka ny andrana siantifika nataon’ireo mpikaroka dia ireo olona matory adin’ny valo nandritry ny alina no mora mamaha ny olàna ka marihina fa ilay dingana antsoina! hoe “sommeil profond” no tena iasan’ny saina fa tsy ilay “sommeil paradoxal” na ilay fotoana hanofisana. Eo amin’ny fiainana andavanandro rahateo dia ahitàna izany satria ireo olona tsy dia ampy torimaso loatra dia sady mora kizitina no tsy mahavaha olàna loatra.

Ny torimaso sy ny hatsaran-tarehy

Ho an’ireo mpandala ny “produits cosmétiques” na ireo akora fanositra amin’ny vatana angamba dia samy mahatsikaritra fa misy ny “soins de nuit” izay natokana ho an’ny tarehy ka amin’ny alina no fanosorana azy. Araka ny fandinik’ireo mpikaroka mantsy dia ny alina no tsara hanamboarana ny tarehy sy ny vatana indrindra raha oharina amin’ny andro mazava. Mba hahazoana ilay hoditra tsara sy malefaka araka ny hitadiavanao azy dia mila mandro amin’ny rano 37° mandritry ny 20 mn mialohan’ny torimaso ka aorian’izay dia hosory “crème” malefaka ny hoditra.

Torimason-jaza

Ny ankamaroan’ny olona angamba dia samy maniry torimason-jaza avokoa. Ireto avy ny fomba tsotsotra hatoriana tsara mandritry ny alina:
-sakafo maivana ary rano tsy misy “gaz” no sotroina amin’ny hariva
-mandro amin’ny rano mafana sady miotra ihany koa
-misotro dite na ravim-boafotsy misy siramamy na “tilleul” na “verveine” na “valériane”
-somary raraho ranomanitra malefaka kely ny ondana
-ataovy tratran’ny rivotra madio ny efitrano fatoriana
Eritreritra
:-)

Tsy misy ny tena mana-karena amin’ny fahendrena, fa ny fahazarana tsara sy matotra no tsara hotazonina (Dadanaivo Randriambelonarisoa)

Ohabolana

Fitia mifamaly mahatsara ny fihavanana

Inona hono hoe ?
Raha misy kitro ny tongotrao : dia mamoasa togolon gasy vodiny iray – alonay ao anaty vinaigitra mandritry ny herin’andro – mangala tapa-damba madio iray na (kompresy) – apetao @ kitronao i tongolo gasy io mandritriny iray alina, ho hitanao ange !!!!!
Ny any aminay sy ny fomba fahiny

Ny andro “ALAROBIA”
Al-arba-atu na El-arba’a = andro fahaefatra.Alarobia tsy miverina : fialan-tsoana, famangiana alahelo, fandevenana fa tsy fanaovana hasoavana. Raha alarobia ny Tsinan-bolana @ Alasahaty, dia tsy fanao ny manmono zavatra afa-tsy manja mena. Raha teraka alarobia ianao, dia tsy mety ny manala hoho sy mihety @ io andro io

Indray mielatra i "Dago"

Dia inona indray ary ny vaovaon’i Dago @ izao ?

 

- Faly miharahaba antsika rehetra ary manantena fa samy nahazo fakan-drivotra sahaza sy nahafinaritra daholo – efa manomboka mafana ny andro eto amintsika na dia mbola mivadibadika ihany aza

- Efa nolazaina teo aloha ihany fa hivadika ho ARIARY ny volan-tsika tsy ho ela izany
Ny vola 5 000 Ariary sy 2 000 Ariary teo aloha dia tsy manankery intsony manomboka ny 1 desambra 2004 izao (afaka antakalo ao @ Banky Foibe anefa izany)
Ny fanafohaizana ny ARIARY dia Ar marihana manokana fa A lehibe ary r kely.
Ho hitantsika izany na @ vidin-javatra, na @ taratasy samihafa (sheky…..)

- Misondrotra hatrany sy solika, ary tena tafakatra ambony dia ambony tokoa mihoatra @ fahefambidy ny malagasy, ary tena lafo dia lafo ny vidim-piainana ka mikaikaka ramalagasy asa izay ho vaha-olana fa dia samy manotany tena daholo ? Ny ray aman-dreny efa tena mitampim-bava fotsiny @ izao fidirany mpianatra izao anefa akory atao ?
Aiza ve ka ny siramamy izay novidiana 4.500 Fmg telo volana lasa, @ izao fotoana 8.500 FMG no mora indrindra ary tsy misy fonosana izany -
Ny vary izay foto-tsakafo ramalagasy dia efa lasa 4.500 FMG eo eo ny iray kilao –
Anefa ny karama farany ambany dia mbola eo @ 4 Alina Ariary mahery kely eo – (± 230.000 fmg) ary hisondrotra ho 255.000 FMG izany manomboka ny volana Oktobra ho avy izao.
Mba diniho kely @ ange, raha manan-janako 3 : mandoa saram-pianarana, kojakoja samihafa @ fianarana, saran-dalàna, fitafihana, hofan-trano, jira/rano – sakafo….. (Maharipery Ramalagasy)

- Miisa 8 ny manana fandaharana malagasy ao @ fahita lavitra eto Madagasikara : TVM - TV PLUS sy KANAL AUSTRAL (@ alina ihany io farany io) – RTA – RECORD - MBS – PRIME TV – MATV – RAVINALA, ary tena mandroso tokoa fa ankoatran’ny zavatra efa fahita andavan’andro (sary mihetsika, fanadihadina, hirahira samy hafa ….) dia ao koa ny fandrahona sakafo malagasy, eropeana…, ny kilalaotsaina samy hafa, ny tantara mitohy lalaovan’ireo malagasy, tokelaka sns…. ka anao no misafidy

- Ny volana oktobra ho avy izao dia hanomboka hitatitra olona indray ny lamasina ka ny zotra @ izany dia Moramanga-Ambila Lemaitso mandroso sy miverina

- Voalaza @ serasera rehetra na an-tsoratra na am-bava fa "Fimailo" indray no anarany kapaoty vaovao, fanahiny natao teny gasy mihitsy satria manomboka tena mahazo vahana io aretina io amin'izao fotoana izao 

- Hisondrotra tsy ho ela indray izany ny soloky

Vanitika
- Fa inona aloha no ataon’I Filao eny ambony hazo miaraka @ boky ?
- Manao famerenenana kely ao r’Ikoto fa efa hiditra hianatra izao a !
- Tsy azoko mihitsy, fa maninona no eny ambony eny i Filao no mianatra, fa tsy midina ety, hitsidingy eo fa ataovy ?
- Izany dia tsy ay, mba ampiasao kely ny loho e ! Marina ihany nolazain’Ineny fa vendrana mihitsy Ikoto ka, tsy mba mieritreritra hanaraka fianarana ambony fa dia hifotetaka eo ambany eo faona rehefa mianatra.

Somary mivilana hafahafa izay ny vavan’i koto ka hoy Bema taminy :
- Maninona ary ny vavan’ialahay no mivilambilana sahala @ izao leisy r’Ikoto, ndao ho entika any @ neninay fa tonga dia miverina tsara io
- Fa dokotera mpandidy anga ny nenin’ialahy ?
- An An ka ! Tsy dokotera izy akory fa ny olona izay miresaka aminy dia samy miteny daholo hoe mahay vava be hono izy ange

Kalokalo takariva

AJANONY

Ajanony any raha toy izany faona
Ajanony any fa mandany fotoana
Voa may mati-kambo, sy mampidingin-drambo
Ajanony any samy miala

Marary ny aina andeha hamitra-pihavanana indray,
Tsy mandry ny saina nefa tsy diso akory zany izahay
Ampanetre-tena sy ampanajana koa.
Aleo hono miala tsiny fa ny mpamosavy no to fo

Fiainana mbola hodiavinina, tsy hilaozan’izay ratsy fanahy
Misy ndray ankehitsiny no miseho milay
Mifamolaka lava izao ; tsy mety indray
Anjanony any….

Tsy mety koa, ndraindray aza latsa-tomany
Na hoe tsy diso aho, tsy zay no tsiny
Nefa dia voaheloka ihany ¡
Hamafiso ny saina dia mba mahaiza manindry fo
Fa ny vita mbola lefy avokoa

Fiainana mbola diavina…..
(JOY K)

Ritsoka

Ny Fanambadiana

Inona izany hoe “FANAMBADIANA ?”
Misy milaza fa hoe “fifaliana”
Ny sasany manao hoe : “Fihafiana”
Ambaran’ny sasany hoe “Fijaliana”
Fa inona moa izany “FANAMBADIANA ?”

Fanambadiana ny fanambadiana
Raha mifankatia ny tia sy ny tiana
Tsy fanambadiana fa fanambaniana
Raha ahitan-jo tsy maintsy tsindriana

Fanambadiana ny fanambadiana
Raha iaraha-mandresy ny fahakiviana

Tsy fanambadiana fa fanambotriana
Raha fitia itsentsefana fianakaviana

Fanambadiana ny fanambadiana
Raha fitadiavana ombam-pitsitsiana

Tsy fanambadiana fa fiambaniana
Raha osa fitady fa be fandaniana

Fanambadiana ny fanambadiana
Raha ny tokantrano fenoim-pifaliana

Tsy fanambadiana fa fanasaziana
Raha tokantrano itondram-pahoriana

Fanambadiana ny fanambadiana
Raha hay ny mitsinjo ny hoavy any aoriana

Tsy fanambadiana na oviana na oviana
Raha nio ihany no itomaniana

Fanambadiana ny fanambadiana
Raha mifampatoky ny tia sy ny tiana

Tena fanambaniana ny fianakaviana
Ny fisaratsarahana fanambadiana

(Ny ERAKO)

Raitra ny anarana malagasy

Vavy : Bao – Bebinirina - Bakolisoa – Baholy - Bakolalao – Bodo - Bozy - Bina
Lahy : Bera – Bema – Bena

Fisavasavana

Ny hoe “VARY LENA” dia enti-milaza olona tsy mifankafoy, misakaiza, miaraka. Ny vary lena manko dia miraikitra tsy mba mety misaraka. Ny olombelona rahateo tsy maina fa lena, ka ny tena mpinamana na mpifankatia manao “vary lena” dia maina (na maty) voa misaraka.

Inona ary izany ???
?

Tsy atoraka, tsy asavilivily, nefa tafita hady : MASOANDRO SY VOLANA

Alamino ny teny miparitaka ka akambano tsara dia ahazoana ohabolana

AINA TADIO ERAN’ KA NY MANO TSAKA KAN- KA HANA VOLON- TSY NY MISA : Volon-katsaka misakan-tadio ka manohana ny tsy eran’ny aina

 

IREO TEO ALOHA  0 - 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20 - 21 - 22 - 23 - 24 - 25 - 26 - 27