|
|
|
|||||||
|
|
Matsiro | |||||||
|
Mofo mamy @ dibera (cake) Siramamy : 200 gr 1- Kapohina ny atody 4 sy ny siramamy 200 gr ; Raha asiana voankazo toa ny voaloboka maina, na akondro na papay voantetika (somary endasina kely @ dibera), na hodina vaosary voakiky…. Dia mbola hatsiro kokoa. Dia izay indray ny masaka androha…ny é !!!!!!!! Diso fantatrao laotra fa "NY AKONDRO " : - Sahala ny voakanzo rehetra dia be otrik’aina, be nofony |
||||||||
|
|
Taram-phazavana | |||||||
Misaora an’I Jehovah ry fanahiko ary izay rehetra ato anatiko misaora ny Anarany masina - Salamo 103 : 1 |
||||||||
|
Mahaliana
|
||||||||
![]() |
Ny tsiambaratelon’ny torimaso Tsy vitan’ny hoe fotoam-pialan-tsasatra sy fakana aina ny torimaso fa fitaovana iray enti-miatrika ny fiainana amin’ny ankapobeny. Raha tsy ampy torimaso mantsy ianao dia mahita olàna eo amin’ny fiainana ary misy fiantraikany eo amin’ny fahasalamana. Misy ny tsiambaratelo mikasika azy ity indrindra eo amin’ny resaka nofy izay azo hazavaina ihany araka ny nambaran’ireo mpandinika. Indro atolotra amin’ity pejy hafa kely ity ny mikasika izany rehetra izany!Ny soa avy amin’ny torimaso Arakaraky ny hatsaran’ny alina no maha tsara ny andro ka izay no tena maha-zava-dehibe ny torimaso. Diso araka izany ny eritreritry ny maro raha mihevitra fa rehefa miha-lehibe dia tsy mila torimaso intsony. Araka ny fijerin’ireo mpitsabo mantsy dia isan’ny fitaovana iray maha-ela velona ny torimaso tsara. Ny torimaso sy ny saina Tsy natokana ho an’ny fialan-tsasatry ny vatana sy ny saina fotsiny ny torimaso fa mandritry ny alina dia fantaro fa miasa mafy ny “neurones” ka mandinika izay olàna nianjady nandritry ny andro. Izay rahateo no mahatonga ilay fitenenana manao hoe “Ny alina mitondra fisainana” (La nuit porte conseil). Araka ny andrana siantifika nataon’ireo mpikaroka dia ireo olona matory adin’ny valo nandritry ny alina no mora mamaha ny olàna ka marihina fa ilay dingana antsoina! hoe “sommeil profond” no tena iasan’ny saina fa tsy ilay “sommeil paradoxal” na ilay fotoana hanofisana. Eo amin’ny fiainana andavanandro rahateo dia ahitàna izany satria ireo olona tsy dia ampy torimaso loatra dia sady mora kizitina no tsy mahavaha olàna loatra. Ny torimaso sy ny hatsaran-tarehy Ho an’ireo mpandala ny “produits cosmétiques” na ireo akora fanositra amin’ny vatana angamba dia samy mahatsikaritra fa misy ny “soins de nuit” izay natokana ho an’ny tarehy ka amin’ny alina no fanosorana azy. Araka ny fandinik’ireo mpikaroka mantsy dia ny alina no tsara hanamboarana ny tarehy sy ny vatana indrindra raha oharina amin’ny andro mazava. Mba hahazoana ilay hoditra tsara sy malefaka araka ny hitadiavanao azy dia mila mandro amin’ny rano 37° mandritry ny 20 mn mialohan’ny torimaso ka aorian’izay dia hosory “crème” malefaka ny hoditra. Torimason-jaza Ny ankamaroan’ny olona angamba dia samy maniry torimason-jaza avokoa. Ireto avy ny fomba tsotsotra hatoriana tsara mandritry ny alina: -sakafo maivana ary rano tsy misy “gaz” no sotroina amin’ny hariva -mandro amin’ny rano mafana sady miotra ihany koa -misotro dite na ravim-boafotsy misy siramamy na “tilleul” na “verveine” na “valériane” -somary raraho ranomanitra malefaka kely ny ondana -ataovy tratran’ny rivotra madio ny efitrano fatoriana |
|||||||
| Eritreritra | ||||||||
|
:-)
|
Tsy misy ny tena mana-karena amin’ny fahendrena, fa ny fahazarana tsara sy matotra no tsara hotazonina (Dadanaivo Randriambelonarisoa) |
|||||||
| Ohabolana | ||||||||
Fitia mifamaly mahatsara ny fihavanana |
||||||||
| Inona hono hoe ? | ||||||||
![]() |
Raha misy kitro ny tongotrao : dia mamoasa togolon gasy vodiny iray – alonay ao anaty vinaigitra mandritry ny herin’andro – mangala tapa-damba madio iray na (kompresy) – apetao @ kitronao i tongolo gasy io mandritriny iray alina, ho hitanao ange !!!!! | |||||||
| Ny any aminay sy ny fomba fahiny | ||||||||
![]() |
Ny andro “ALAROBIA” |
|||||||
| Indray mielatra i "Dago" | ||||||||
|
|
Dia inona indray ary ny vaovaon’i Dago @ izao ? - Faly miharahaba antsika rehetra ary manantena fa samy nahazo fakan-drivotra sahaza sy nahafinaritra daholo – efa manomboka mafana ny andro eto amintsika na dia mbola mivadibadika ihany aza - Efa nolazaina teo aloha ihany fa hivadika ho ARIARY ny volan-tsika tsy ho ela izany - Misondrotra hatrany sy solika, ary tena tafakatra ambony dia ambony tokoa mihoatra @ fahefambidy ny malagasy, ary tena lafo dia lafo ny vidim-piainana ka mikaikaka ramalagasy asa izay ho vaha-olana fa dia samy manotany tena daholo ? Ny ray aman-dreny efa tena mitampim-bava fotsiny @ izao fidirany mpianatra izao anefa akory atao ? - Miisa 8 ny manana fandaharana malagasy ao @ fahita lavitra eto Madagasikara : TVM - TV PLUS sy KANAL AUSTRAL (@ alina ihany io farany io) – RTA – RECORD - MBS – PRIME TV – MATV – RAVINALA, ary tena mandroso tokoa fa ankoatran’ny zavatra efa fahita andavan’andro (sary mihetsika, fanadihadina, hirahira samy hafa ….) dia ao koa ny fandrahona sakafo malagasy, eropeana…, ny kilalaotsaina samy hafa, ny tantara mitohy lalaovan’ireo malagasy, tokelaka sns…. ka anao no misafidy - Ny volana oktobra ho avy izao dia hanomboka hitatitra olona indray ny lamasina ka ny zotra @ izany dia Moramanga-Ambila Lemaitso mandroso sy miverina - Voalaza @ serasera rehetra na an-tsoratra na am-bava fa "Fimailo" indray no anarany kapaoty vaovao, fanahiny natao teny gasy mihitsy satria manomboka tena mahazo vahana io aretina io amin'izao fotoana izao - Hisondrotra tsy ho ela indray izany ny soloky |
|||||||
| Vanitika | ||||||||
|
|
- Fa inona aloha no ataon’I Filao eny ambony hazo miaraka @ boky ? - Manao famerenenana kely ao r’Ikoto fa efa hiditra hianatra izao a ! - Tsy azoko mihitsy, fa maninona no eny ambony eny i Filao no mianatra, fa tsy midina ety, hitsidingy eo fa ataovy ? - Izany dia tsy ay, mba ampiasao kely ny loho e ! Marina ihany nolazain’Ineny fa vendrana mihitsy Ikoto ka, tsy mba mieritreritra hanaraka fianarana ambony fa dia hifotetaka eo ambany eo faona rehefa mianatra. |
|||||||
Somary mivilana hafahafa izay ny vavan’i koto ka hoy Bema taminy : |
||||||||
| Kalokalo takariva | ||||||||
|
|
AJANONY Ajanony any raha toy izany faona Marary ny aina andeha hamitra-pihavanana indray, Fiainana mbola hodiavinina, tsy hilaozan’izay ratsy fanahy Tsy mety koa, ndraindray aza latsa-tomany Fiainana mbola diavina….. |
|||||||
| Ritsoka | ||||||||
Ny Fanambadiana Inona izany hoe “FANAMBADIANA ?” Fanambadiana ny fanambadiana Fanambadiana ny fanambadiana Tsy fanambadiana fa fanambotriana Fanambadiana ny fanambadiana Tsy fanambadiana fa fiambaniana Fanambadiana ny fanambadiana Tsy fanambadiana fa fanasaziana Fanambadiana ny fanambadiana Tsy fanambadiana na oviana na oviana Fanambadiana ny fanambadiana Tena fanambaniana ny fianakaviana (Ny ERAKO) |
||||||||
| Raitra ny anarana malagasy | ||||||||
![]() |
Vavy : Bao – Bebinirina - Bakolisoa – Baholy - Bakolalao – Bodo - Bozy - Bina |
|||||||
| Fisavasavana | ||||||||
|
|
Ny hoe “VARY LENA” dia enti-milaza olona tsy mifankafoy, misakaiza, miaraka. Ny vary lena manko dia miraikitra tsy mba mety misaraka. Ny olombelona rahateo tsy maina fa lena, ka ny tena mpinamana na mpifankatia manao “vary lena” dia maina (na maty) voa misaraka. |
|||||||
| Inona ary izany ??? | ||||||||
|
?
|
Tsy atoraka, tsy asavilivily, nefa tafita hady : MASOANDRO SY VOLANA |
|||||||
| Alamino ny teny miparitaka ka akambano tsara dia ahazoana ohabolana | ||||||||
|
|
AINA TADIO ERAN’ KA NY MANO TSAKA KAN- KA HANA VOLON- TSY NY MISA : Volon-katsaka misakan-tadio ka manohana ny tsy eran’ny aina |
|||||||