MADAGASIKARA TANINDRAZANAY
(nosoratan' i Ratovoherizo M.)

Misy ve vahiny izay tsy mahalala ?
Misy koa mpandalo toa misalala ?
Ho an'ireny indrindra no hiantsoan'indray :
Madagasikara Tanindrazanay !

Nosy manirery sady kely hiany ,
Tsy mba vala be, tena sombin-tany.
Nefa maminay, tolotry ny Ray
Madagasikara Tanindrazanay !

Foko samihafa no mitambatra eto , O !
Fikambanan-tsoa, lavitry ny sento !
Foko maromaro nefa vala iray
Madagasikara Tanindrazanay !

Nosy kanto loatra, sitrakay indrindra ,
Ny fitiavanay, nofy izay hifindra !
Izay nanolikoly menatra sy fay :
Madagasikara Tanindrazanay !

Lasa irony taona nampidradradradra ,
Indro ankehitriny, tapaka ny gadra !
Tany vita sedran'afo mahamay
Madagasikara Tanindrazanay !

Nosy tsara fomba hatry ny fahiny :
Feno fanajana sady tia vahiny.
Tsy manao am-po, vonon-kifandray
Madagasikara Tanindrazanay !


Hono ry mpandalo, tsinjonao angaha
Fa ny dinanay toa mivahavaha ?
"Tsia" no valin-teny mafy sy miray !
Madagasikara Tanindrazanay !

Sao hadinonao fa Madagasikara
Tsy mba sendresendra, lahatra sy anjara !
Koa na iza fetsy, na iza koa mahay :
Madagasikara Tanindrazanay !

O ! Ry Nosinay, Reninay malala,
Fantatray tokoa ny zavatra fandala :
Ilay fitia mafana sy mivaivay !
Madagasikara Tanindrazanay !

Nefa fantatray, tsy ampy ny mikasa
Ka ny zanakao hifarimbona asa.
Tsy hitondra latsa na hangaihay
Madagasikara Tanindrazanay !

Indreto ny solofo sady kolokolo ,
Foko malagasy valo ambin'ny folo !
Miaramila kanto tsy ho vaky lay :
Madagasikara Tanindrazanay !

Misy teny hendry izay tsy mety lefy :
"Ny ranomasim-be no vala (sady fefy) !"
Koa anterinay ny dina hatrizay :
MADAGASIKARA TANINDRAZANAY !

Ratovoherizo M.

IREO TEO ALOHA 0 - 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20 - 21 - 22 - 23 - 24 - 25 - 26 27