DAGO SY NY SISA ...
Banque centrale : cours moyen pondéré :
1 € = 8 032 FMG

BP :
1 € =
vente : 7.750 FMG
achat : 7.176 FMG

Parallèle :
1 € =
vente : 7 552 FMG
achat : 8 225 FMG


(Marihina manokana fa ny an'i banky dia mbola misy sarany sy ny haba isan-karazany izay hazavainy @nao rehefa manakalo vola ianao)

Ny tsena :
Vary gasy na makoliaka : ±2.750 - 4.000 FMG/kg
Hena omby : (mifangaro na nofon-kena) : 14.000 - 22.000 FMG/kg
Hen-kisoa : 18.000 - 22.000 FMG/kilao
Patsa-be : 20 - 75.000 FMG/kilao
Manga : 7.000 - 11.000 FMG/kilao
Trondro : 9.000 - 25.000 FMG/kilao
Tongolobe : 1.500 - 4.000 FMG/kilao
Ovy : 1.000 - 2.500 FMG/kilao
Kiseny : 500 FMG/toko
Paiso : 2.500 - 4.000 FMG/Kilao
Poara : 3.000 - 6.000 FMG/kilao
Paoma : 2.500 - 4.000 FMG/kilao
Letisy 7.000 FMG/kg
Papay : 2.500-5.000 fmg/iray


Ny vokatra amin'izao fotoana izao :

- Papay - paiso isankarazany - paoma - poara - mananasy
- Katsaka
- Ravintoto - ovy ary ny kiseny ary ny anana maitso isan-karazany -

Marihina moa fa misy ihany koa ireo legioma sy voankazo samihafa ary ny hazan-drano

SORITANA MANOKANA FA : Efa lany ny letisy fa LETISY MERINA sisa no hita eny an-tsena , toy izany koa ny manga tena kelikely sisa ny toerana ahitana - ary ny voatabia dia lafo @ izao taompavaratra izao !

Tsara ho fantatra : Ireo vidina entana voalaza eo ambony ireo, dia vidin-javatra eny an-tsena fa tsy eny @ magazay akory an !!!

Dia amin'ny manarak'indray é !!!!

Isaorana manokana i N.
Anio : 22/01/2004

 

Raha toa ka te-handray anjara koa ianao ato amin'ity pejy Malagasy ity ... Aza misalasala, manorata ato amin'ity adiresy manaraka ity : koyot@mageos.com

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Matsiro  

Atidohan-ken'omby saosy

Atidoha-ken'omby na hoe Betrony
Voatabia
Tongolo maitso
Tongolobe
Atody
Sira vovony
Menaka

1 - Esony ny hozany Atidohan-kena ary sasao
2 - Andrahoy @ rano misy sira- rehefa mangotraka sahabo eo @ 8 minitra eo dia esory eo ambony afo
3 - Avela angatsiaka
4 - Endaso ao anaty lapaoly ny tongolo voantetika, avy eo arotsaka ny voatabia avela miendiendy eo
5 - kapoina ny atody ary arotsaka miaraka @ fangaro (4) ao anaty lapoaly dia alefa miaraka @ koa ny tongolo maitso voatetika- ary arohina mba ho potika-
6 - Esory eo ambony afo rehefa masaka
7 - Silatsiloa manvetivety ny atidohan-kena ary afangaro @ ireo

Marihina fa :
- Tsy tsara raha saromana rehefa andrahoina ny Atidohan-kena fa mandraotra rehefa mangotraka
- Azo ampiana zavatra hafa koa raha tianao toy ny : dipaovra, sakay be, kotomila…..
- Azo endasina tsara @ lafarinina natao koba koa ny Betrony rehefa masaka
- Ary azo hinanavary tsara izy io

...... Izay indray ny nahandron-tsika anio e !!!!!!

------------------------------------------------------------------------------------

Diso fantatrao laotra fa "NY MANANASY" :

- Sahala ny voakanzo rehetra dia be otrik'aina.
-Manala hamohamo indrindra raha mihinana sakafo matsiro sy be menaka
- Ho an'ireo olona te hampihena dia tokony ho 1 litatra isan'andro eo eo no sotroina
- Manatsara ny fiasan'ny tsinay
- Azo hatao hanatsara tarehy koa ny ny ranony
- Azo analana "Votsy" : Alaina ny tapaka mananasy ary dia kosehina @ votsy maraina sy hariva mandritry ny iray minitra - Afaka herin'andro dia afaka izany - Ny "Kitro" ihany io an !
- Ary zary fanao ny tovovavy @ volo izy io fahiny rehefa te anangita volo ry zareo

Taram-phazavana
Sambatra ny mpampihavana fa izy no harao hoe zanak'Andriamanitra - Matio : 5:
Mahaliana
- VATOMANDRY (any @ faritra Atsinana ny Nosy)

- Ny niavian'ny anarany hono : 1- noho ireo vato mainty maromaro ao anaty tano toy ny nosy kely; 2- noho ireo vatolampy lehibe "mandry" ao anatin'ny ranomasina; "- 3- misy koa milaza fa nisy vato lehibe teo, izay an'oizany Mandry izany ary izy io hono no nanorina ny tanàna

- 180 Km atsimon'i Toamasina ary 290 km avy eto Antananarivo - 65 km² - 12.000 ny isan'ny mponina ao
- Tora-pasika : 10 km - ahitana ny tora-pasika Tampolo, Analambahy
- Ao koa no ahitana ny farihin'Amborontsy, ny reniranon'i Sandramanongy ary eo atsinanan'ny tanàna no ahitana ny vinany mampitohy an'i Sandramanongy @ ranomasime Indianina
- Misy trano fandraisam-bahiny miisa 8 ary hotely fisakafona 11, misy fianakaviana afaka mandray vahiny koa - Afaka milasy amin'ny toerana voatokana (camping) ny mpizahatany fa tsy maintsy mahazo alazana @ Kaominina
- Tsy misy banky fa misy OTIV (bankin'ny tantsaha)
- Tonga ny fiara tsara, ary misy Taxi-Brousse mampitohy azy @ Antananarivo na avy eo Antsampanana
- Ny voly ao : vary, letisy, kafe, akondro ary jirofo (izay matetika andalovan'ny rivo-doza) - tsy adino koa anefa ny jono
- Ary voalaza fa misy vatosoa "RUBIS" @ faritra manodidina

@ Paska 2004 izao dia hisy fietsiketsehana atao ao @ io faritra io mba entina ampafatarina bebe kokoa sy ampandrosoana ny Tanàna sy ny fizahan-tany ary misomebiseby ny mponina ny ny manampahefana ao manomana izany lanonana izany, izay aharitra 3 andro

Fehiny : Toerana fitsangatsanganana sy fakan-drivotra mahafinaritra i Vatomandry anefa "te-hisondrontra fa tsy afa-mihaotra…" ary mila fanavoazana sy fanampiana lehibe dia lehibe

Eritreritra
:-)
Trondrolahy mihevina ka mampitsaoka ny amalombavy
Ohabolana
Aza ny vady ao an-trano no atao tsy ho zavatra, ka izay miaingo tsara avokoa
Inona hono hoe ?
- Raha tianao tsy hisy bibikely intsony ny zavamaniry maitso ao tokan-tranonao dia mitoto sakaly pilokely asio rano ary avelao hilona kely - araraka @ tany nambolena izy io mandritriny 3 andro - ho hitanao ange e !
Ny any aminay sy ny fomba fahiny

Ny andro "ALATSINAINY"

EElithiNIN NA El-itzinani = andro mafy. Tsy fandefasana mpiantafika fa andro mahamafy ady. Raha alatsinainy no tsinambolana @ Adaoro, dia tsy fanao ny mamono zavatra afa-ty mavo. Raha teraka alatsinainy ianao, dia tsy mety ny manala hoho sy mihety @io andro io.

Indray mielatra i "Dago"

- Dia inona indray ary ny vaovaon'i Dago @ izao Taona vaovao izo indray ?

- Niova ny mpikambana ao @ Governemanta

- Hisy gazety vaovao voa hivaoka indray "La Dépêche" ary ingahy Naina Andriantsitohaina no tompony, izay mpandrahara diso fantatra laotra - lasa ho 7 izany ny isan'ny gazety mivaoka isan'andro

- Ary satria milatsaka ho asabotsy ny androny mpifankatia (14 febroary) @ ity taona ity, dia betsaka tokoa ireo mikasa ny hanokana io andro io hanoronana tokan-trano - Noho izany dia voalaza fa tapitra efa voafandrika ireo olona ireo daholo ny trano fandraisam-bahiny lehibe eto Iarivo -

- Hisondrotra atoato ny haba @ sigara sy ny zava-pisotro misy alikaola, mazava ho azy fa hisondrontra toa izany ny vidin'izyireo mba ho famporisiana ny olona mba tsy hifoka na hisotro

- Betsaka indray ny vola sandoka mifamezivevy, mitovy @ ireo vola taratasy voa natonta : Iray alina (50.000) - Dimy arivo (25 000) ary Roa arivo (10.000) ariary -

- Na dia be aza ny orana any @ faritra Atsimo ny Nosy dia tsy mahavokatra firy satria misy rivotra maina sy mahery @ iny faritra iny ka voa mitsimoka ny voly tonga dia maty ary maina ho azy indrindra moa ny katsaka -

- Voa 6 taona ny zazalahy an'i faritra Atsinana dia efa miroboka anaty ranomasina mihaza izay azo, ary indraidray aza dia mahazo trondro mitentim-bidy 1000 Ariary na maherin'izany - tamana @ fahazaona vola ireo ankizy, ka manohy ny fanjonoana ary adino ny fianarana

- Matetika ary mila ho isan'andro mihitsy aza ny filazana zaza very ao anaty gazety na koa ao @ onjam-peo

- Mitohy hatrany ny ady atao @ Sida sy ny fahantrana

Vanitika

- Tena marina ilay noresahinareo sy 'i Nenibe ry Neny ka ! Ratsy saina mihitsy ny olona ankehitriny ! Sady tsa mahalala menatra -
- Ratsy saina ahoana ry Soa a ? Fa maninona indriko no miteny an'izany, fa iza no hitan-dry nanao ratsy saina ?
- K' aiza , t@ taom-baovao dia izany vodiakoho izany faona no reko mba omen' ny olona an'i Nenibe, tena mampalehelo hay mihitsy izy na dia tsy misy nify intsony aza - Maninona ary raha mba ny lohany na toton-kena, na ovy fotsiny e, na mba mitondra zavatra hafa koa ny sasany , fa izay iray tonga dia vodiakoho, hataon'i Nenibe inona anefa iero vodiakoho be dia be ireo izao - Jereon'i Neny ange, tena manify kely mihitsy ilay valopy , tsy mba ilay siliginy akory ange !
tia tsy mba menatra tokoa ry Dadatoa sy Nenitoa ? Ratsy saina mihitsy ka !!!!!

Kalokalo takariva
Ritsoka
ANTSON'NY MANINA

O ry zazavavy iny
Andray aza hilaozanao
O O O aza hilaozanao
Mba andraso e

Ny foko tia, atolotro an-dry
Tsy sanatria, hamitaka an-dry
Aza mandeha mafy, mandehana mora
Mba andraso e e e e e e!

Anaraka anao e e e e e e !
O ry le !
Anaraka anao faona
Tsy handao anao e e e e !
O ry le !

(SPESIALISTA)

OMEO TOERANA

Omeo toerana aho
Aho am-ponao ao
Ahafahako mirotsy
Ny andro volafotsy

Omeo toerana aho
Amin'ny ho avinao
Ahafahako mitsinjo
Ny androko ampitso

Omeo toerana aho
Eo amin'ny fiainanao
Ahafahako miaina
Migoka ny maraina

Omeo toerana aho
F'omeko koa Ianao
Ahafahanao mitsena
Ny andro volamena
DadaRabe

Raitra ny anarana malagasy
Lahy : Hajo - Havana - Hery - Harianala - Hajasoa
Vavy : Harena - Holy - Haingo - Hanitra - Hanta - Hendry
Lahy/vavy : Hasina - Herizo - Henintsoa - Haja - Hary
Fisavasavana
TSY MATY VOALAVO AN-KIBO : Anisan'ny fomba t@ fampo
nomambe ny "famonoana voalavo", izay fandatsambato atao isan-tanàna @ izay ahiana ho mpamosavy, ka tokony hampisotroana tangena. Ny olon-dratsy tsy matin'ny tangena ka mbla mamosavy no nahatonga ny hoe "tsy maty voalavo an-kibo", izay niova ho olon-dratsy mody tsara ivelany taty aoriana.

Inona ary izany ???
?
MIASA MIANGONA, TSY MIASA MIONGANA FOANA : Kifafa
---------
MATY VOA MIREHONDREHONA : (valiny @ manaraka)
Alamino ny teny miparitaka ka akambano tsara dia ahazoana ohabolana

NJO ATRA VILA NY MPA MONJO NY NO NO VAKY NY MO NDO : Ny vilany no vaky, ny mpandaotra no nimonjamonja
------
NATRA MISY KIBO TSY ARY NY HAREN-MPANA DAHY KIBO BE KAMBOTY NY NY TOY : (valiny @ manaraka)

 
IREO TEO ALOHA 0 - 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20 - 21 - 22 - 23 - 24