DAGO SY NY SISA ...
Banque centrale : cours moyen pondéré :
1 € = 7.377 FMG

BP :
1 € =
vente : 7.520 FMG
achat : 7.105 FMG

Parallèle :
1 € =
vente : 7 250 FMG
achat : 7 200FMG

Ny tsena :
Vary gasy na makoliaka : ±2.500 FMG/kg
Kitozan'amalona : 7.500 FMG/fehezany
Voasary mandarina : 14.000-17.000 FMG/kg
Papay : 2.500-4.000 fmg/iray
Patsa-be : 20 - 100.000 FMG/kilao
Manga : 3.000 - 5.000 FMG/kilao
Trondro : 9.000 - 20.000 FMG/kilao
Tongololay : 1.500 - 4.000 FMG/kilao
Ovy : 1.000 - 1.500 FMG/kilao
Kiseny : 500 FMG/toko

Ny vokatra amin'izao fotoana izao :

Ny vokatra amin'izao fotoana izao :

- papay - voamadilo ary ny manga
- mangahazo, soanjo, vomanga
- Ravimbomanga - soflera - laisoa - ovy ary ny kiseny

Marihina moa fa misy daholo ihany koa ireo legioma sy voankazo samihafa ary ny hazan-drano, ary @ farany volana ity dia hanomboka hivaoka ny letisy !

SORITANA MANOKANA FA FOTOANA NY PATSA BE SY NY HAZAN-DRANOMASINA IZAO


Dia amin'ny manarak'indray é !!!!

Isaorana manokana i N.
Anio : 01/12/2003

 

Raha toa ka te-handray anjara koa ianao ato amin'ity pejy Malagasy ity ... Aza misalasala, manorata ato amin'ity adiresy manaraka ity : koyot@mageos.com

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Matsiro  

Hena baolina saosy

Nofon-kena
Tongolo gasy
Voatabia
Tongolo maitso
kotomila
Dipaovatra
Sira vovony

1 - Totohina ny hena
3 - Voasy ary teteho madinika ny tongolo gasy ary afangarona tsara @ toton-kena ary asiana sira sy dipoavatra
2 - Atao boribory sahala @ baolina kely
4 - Somary hafanaina ny menaka an'endasana ny baolina
5 - Rehefa mendimendy dia arotsaka ao koa ny tongolo maitso ary avy eo ny voatabia - rehefa akaika ho masaka dia alefa ny kotomila

Marihina fa :
- Tsy tsara raha dia diso mendy ny hena baolina satria manjary mafy
- Tsy miaraka arotsaka ny tongolo maitso sy ny vaotabia mba tsy ho marikivy
- azo asiana sakamalao kely sy sakay be koa
- Atao tsara endy sy masaka tsar any voatabia rehefa endasina mba tsy ho marikivy
- Azo asiana saosy lafarinina 1 sotro kely miaraka @ rano 5 sotro lehibe ireo, ary avela kely eo ambony afo mba somary arihatra - ary raha tianao koa rehefa masaka tsara dia asiana dibera 1 sotro kely
- Azo ho hanina tsara @ vary, legioma, salady sns…… izy io

...... Afa ihany hoa ny sakafo gasy !!!!!!
------------------------------------------------------------------------------------

Diso fantatrao laotra fa "NY MANGA " :

Sahala ny voakanzo rehetra dia be otrik'aina.
Tany am-boalohany dia tany Azia Atsimo tany no nahitana ny manga izay anarana entiny - Voankazo be nofony tokoa izay miroborobo aty @ faritra mafana sy be orana. Raha ny eto Madagasikara dia karazany roa no tena fantatrin'ny maro "Mabga Diégo" sy "Manga Esy" . Marina fa miisa eo @ dimanpolo eo eo ny karazana manga eto Madagasikara -
Rehefa masaka tsara ny manga dia be ranony koa sady mamy -
Rehefa mbola tsy avy tsara ny orana dia mbola tsy tsara lastra ny mihinana betsaka an'izy io satria mahavo ny tazo ny atody moka -
Raha diso ho hanina be laotra dia mampivalana matetika

Taram-phazavana
Anjaka ao amponareo anie ny fiadanan'i Kristy (Kolosianina 3: 15)
Ritsoka
Mahaliana
FITIAVANA

Tànana roa mifanampy
Evitra roa mifanohana
Rehefa manaiky dia ampy
Tsy azon'ny ratsy hisosohana
Fo anankiroa miarak'ory
Saina miara-mifaly
Tsy mifanary tsy akory
Raha tonga ny ora mampijaly
Vatana roa mifanila
Hatreo amin'ny dongon'ny tany
Tsy sahirana, tsy atanila
Hakambana hatranihatrany

Henry JAMESON

- Voalaza fa ny peta-kofehy dia Misionera vavy iray izay no nitondra sy nampianatra azy io teto amintsika t@ taona 1904 @tsika Rtoa Julie Deriaz no anarany

- Ny vatosoa "Beryl" lehibe indrindra hita dia ny taty Madagasikara tany @ faritra Voninzongo no niisy azy io t@ taona-50 tany ho any - 8 m no alavany, 20 m no sakany ary 4 t. no lanjany

Eritreritra
:-)
Ny alahelo toy ny ranonorana, rehefa mavesatra dia mianjera
Ohabolana
Dongidongy miendrika androngo fa mandany tsaramasom-bahaoka
Inona hono hoe ?
- Araka ny nambaran'ny mpitsabo eto @tsika dia ny fanafody tena mahomby indrindra @ kankana "Cistycercose" dia ny misotro ranona ravintoto tsy misy fangarony -
Ny any aminay sy ny fomba fahiny

Ny andro "ALAHADY"

El-Ahad na Alahady = andro voalohany. Tsy andro fady io. Ranavalona I sy Rasoherina dia tsy nivaoka sy niditra an'Antananarivo raha tsy Alahady, izay andro famoriam-bahoaka rahateo. Raha Alahady no tsinambolana amin'ny Alahamady, dia tsy fanao ny mamono zavatra hohanina @ io andro io, afa tsy ny mena sy ny sada mena. Raha teraka Alahady ianao, dia tsy mety ny manala hoho sy mihety @ io andro io.

Indray mielatra i "Dago"

- Misy fiaramanidina "Suisse" mhivezivezy ampitohy an'i Bâle, Muhlouse ary Nosy-be

- Ny isan"ny vehivavy malagasy fonksionera raha 20% teo aloha dia lasa 43% @ izao fotoana izao

- Araka ny fanandramana izay natao dia voalaza fa ny taoka gasy sy ny menaka manitra ary ny hazo kesika rehefa afangaro dia mirehitra maharitra ary mety mahasolo ny afo fandrahoana sakafo eny ambanivohitra

- Ny vidiny lavanila dia 1.500.000 FMG/kg (300.000 Ariary)

- Misy volavola kevitra ny hamerenana ny jiro "mena/mavo/maitso" fivezivezena eny an-dalambe ao Antananarivo renivohitra ka miisa 7000 no ilaina @ izany

- Akaiky ny faran-taona ka be dia be ireo vatomamy tonga eto Gasikara, anefa kosa tsara jerena tsara fa ny akamaron'izy ireo dia lany andro avokoa.

- Nisondratra indray ny vidiny ny hena omby

- Ny volana jolay 2003 no niova ny vola taratasy 10.000 FMG (2.000 Ariary) - 25.000 FMG (5.000 Ariary) ary nivaoka ny vola taratasy 50.000 FMG (10.000 Ariary) - Afaka fotoana vitsivitsy koa dia hiova ireo vola sasany eto amintsika - Ny 4 novambra 2004 no daty farany ampiasana ny vola taloha ary ny 1 janoary 2005 dia ny ARIARY tanteraka no ampiasana @] ny taratasim-bola rehetra (sheky, fandefasambola sns…)

- Nivaoka indray ny sigara vaovao "WEST" no anarany ary 9.500 FMG (1 900 Ariary) ny iray fonosana

- Vita t@ 23 Novambra lasa teo ny fifidianana Be ny Tanana sy ny Mpanolontsaina

- Afaka fotoana fohy dia hiova ho "JUMBO SCORE" indray ny tranombarotra lehibe indrindra eto @tsika "CORA" - Marina moa fa misy eto @ tsika koa ny tranombarotra "LEADER PRICE" sy "SHOPRITE"

Vanitika

- Lita leity e, k'inona ny vaovao, ela izany lery a -
- Ela tokoa izany ny Rabenja, andao aloha isika roalahy mba hiraoziraozy kely
- Andao ary e !
- Hoay andao @ izay leisy hody fa tena efa miannnnnnnndry izayyyy ry ankizy aaaaaaaa !
- Marina leisyyyyyyyy izany aaaa !
- Jereon' ilahay fa efa miposaka ny masoandro
- Masoandron'ilahay inona, zavatra volana io !
- Tsy volana hoa io fa masoandro, andraso ary anontanintsika ity olona ity !
- Hono hoa Ramose, masoandro sa volana io ambony io ?
- Tsy mahafantatra koooooooo !, izaho koa ange tsy mipetraka ety amin'ny fokontany ety e !

Kalokalo takariva  
HANARAKA ANAO

Hanaraka anao toy ny aloka
Ka tsy hifandao raha tsy andro tena maloka
Ka raha mbola misy taram-pahazavana
Tsy hiala teo mihitsy aho raha toa mbola tamana (x2)

sy andriko intsony ny andro maraina
Ahazoako mifoha hamonjy anao ry aina
Ka tsy hiala teo indray raha tsy ny andro no hariva
Rehefa injay ny masoandro iva dia iva (x2)

Izaho anie ka zaza tsy mahasara-dreny
Hanaraka anao eny rehetra eny
Ianao irery no afaka hampitony ny tomany
Ka raha toa aho solafaka ianao hanarina ahy hatrany (x2)

Ny vavan'ny sasany tsy ahoako intsony
Fa ny fitiavantsika no asandratro ambony
Ka ny vavaka atao dia mba haharitra hatrany
Haharitra tokoa anie izany fiarahantsik'izany (x2)
(MAHALEO)

Raitra ny anarana malagasy
Lahy : Samy -Sedera - Solofo - Solo
Vavy : Sarindra - Sahondra - Sariaka - Soa - Saholy - Seheno - Silivy
Lahy/vavy : Safidy - Salama - Sitraka
Fisavasavana
MIHATSARAVELATSIHY : Ny tsihy no solon'ny seza na akalana @ Malagasy. Tsy ny ivelany na ny ambonin'ny tsihy hoe madio fa maloto ny ao ambaniny (misy fako, roram-paraky…) anefa no niavian'ny hoe mihatsaravelatsy
Inona ary izany ???
?
IIlaimena tazonina @ rambony : KITAY MIREHITRA

---
MIASA MIANGONA, TSY MIASA MIONGANA FOANA
(Hitanao @ manaraka ny valiny)

Alamino ny teny miparitaka ka akambano tsara dia ahazoana ohabolana
FA DY LAI HANA NO KA VA NGA ISA TY IRAY MPI RA :
MPIVADY IRAY LAINGA KA FATY NO HISARAHANA
----

NJO ATRA VILA NY MPA MONJO NY NO NO VAKY NY MO NDO
(ho hitanao @ manaraka ny valiny)

 
IREO TEO ALOHA 0 - 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20 - 21 - 22 - 23