|
|
|
||||||||
|
|
Matsiro | ||||||||
| Lasary
voanjo
Voanjo
voavofy : ½ kapoaka Marihina
fa : ...... Andramo kely ange e!!!!!! Diso fantatrao laotra fa "ny tongolo gasy na tongololay " : -
Manome fofota ny sakafo |
|||||||||
|
|
Taram-phazavana | ||||||||
| Hanambina
sy hitahy antsika anie Andriamanitra ! Hampamirapiratra ny tavany amintsika
anie Izy. Sal. 67.2 |
|||||||||
| Ritsoka | |||||||||
![]() |
TARATASY
HO ANTSIKA
Any
ianareo mianakavy any ampita lavitra tsy tazana, Efa
firy izay ny ankizy tsy mba malala havana ? |
Aoka
re hijanona eo
fa iny misy ravintoto, Veloma
finaritra |
|||||||
| Eritreritra | |||||||||
|
:-)
|
Aza
zatra mihaina @ kisendrasendra, ndrao mifanena @ dRamaizibolana (Dadanaivo Randriambelonarisoa) |
||||||||
| Ohabolana | |||||||||
| Ny
mahery tsy maody tsy ela velona |
|||||||||
| Inona hono hoe ? | |||||||||
![]() |
Vakivaky
ny felan-tanana na faladin-tongotra : mangala ovy lehibe iray : voasy ary
kikiso manify dia manify - Afangaro @ menaka oliva in-10 mitete - Apetao
@ ny tanana na tongotra vakivaky ary fatory @ lamba kely madio - Avela eo
mandritrin'ny ora iray - Hatao in-2 isan'andro io - Ny tena mety @ faladin-tongotra vakivaky koa dia maka ravin-tseva, totohina ary hosorana an'io Vizana ny tongotrao : Alonay @ rano mafana 35 na 36° misy sira vaingany in-2 ny tanana mandritry ny 10 minitrany tongotrao - fafao ary horona @ ranom-baosy makirana ny tapo-tongotra ¡ Mivonto
ny hafanana ny tananao : alonay ao anaty rano mangatsiaka be mandritry
ny 2 na 3 mn - fafao tsara - avy e odia hietsiketsehana toy ny manao mandihiza
rahitsikitsika mandritry 2 na 3 koa - averina matetitetika ny fandihizana |
||||||||
| Ny any aminay | |||||||||
![]() |
FINOANA
SAKALAVA NAHOANANY ALAKAMISY NO "FADY" Babamino
hono no Ombiasy voahalohany teto an-tany. Nampidin'Andriamanitra teto
an-tany izy niaraka t@ fahaizana tonga lafatra mba hitsabo izay olombelona
marary. Ary izay narary rehetra tokoa, dia nanatona an'I Babamino. Dia
nisy kosa izany hazo natao hoe Iabokavatse izany, nampanirin'Andriamanitra
teo akaikiny ary io no nitsaboiny ny olombelona. Nahazo fahasoavana t@
Babamino ny olombelona, koa indray andro, dia nasandratry ny olombelona
ho Andriamanitra I Babamino ary koa nanaiky izany koa izy. Alakamisy io
andro io. Tezitra I Andriamanitra nahita izany, ka nidina taty an-tany
izy hitsara an'I Babamino : nesoriny t@ ny fahaizany mitsabo indrindra
ny fahaizany mamelona ny maty, ary raha misy fahafatesana, hono, eto-an-tany
dia noho ny hadalàn'I Babamino nanaiky natao'ny olombelona ho Andriamanitra.
Nanomboka t@ izay ihany koa dia nanjary fady ny andro Alakamisy : tsy
azo iàsana (amadiham-bainga, ambolembary), tsy azo amoaham-bola,
tsy azo andevenana ny maty
dia izay no naha-fady ny andro ALAKAMISY
@ SAKALAVA |
||||||||
| Indray mielatra i "Dago" | |||||||||
|
|
-
Araka ny efa rehan-tsika dia efa nivaoka ny vola vaovao taratasy, somary
sahirana ihany Ramalagasy mampiasa ireo vola ireo satria toa somary mitovitovy
loko avoko izy ireo ary ny habehany koa torak'izany - ankoatr'io na dia
efa fampiasa ary ny ARIARY dia mbola tsy tena mety zatra izany - soa ihany
aloha fa mbola hita ery anjorony ery ilay @ soratra kely ny hoe : 50.000
F, 25.000 F...... -
Ny hira nalaza t@ ity fakan-drivotra ity dia : Rendez-vous (Dondolah sy
Tahiry) - Aza homena tsiny (Njakatiana) ary Ry loloko ô
(Clim) izay efa diso fantatra laotra ! |
||||||||
| Tsiky | |||||||||
|
|
Niresaka
ireto zazakely anan-kiroa voa teraka. Tany
amin'ny alim-pandihizana no niseho nitantara. Rehefa milanona moa dia
samy mba miseho mahay zavatra daholo ary sodoka amin'izay mahavariana
azy, ao ny hoe miseho mahay polítika, ny mandihy, ny mihira sns
. |
||||||||
| Kalokalo takariva | |||||||||
|
|
SAHINAO
Sahinao
ny nandao |
Tsofin-drano
anefa ianao |
|||||||
| Raitra ny anarana malagasy | |||||||||
![]() |
Lahy
: Fanilo - Fetra - Fenitra - Feno Vavy : Fitia - Fifaliana - Fy Lahy/vavy : Faneva - Faniry - Fandresena - Finoana - Finiavana - Fanantenana |
||||||||
| Fisavasavana | |||||||||
|
|
MIHATSARAVELATSIHY
: Ny tsihy no solon'ny seza na akalana @ Malagasy. Tsy ny ivelany na ny
ambonin'ny tsihy hoe madio fa maloto ny ao ambaniny (misy fako, roram-paraky
)
anefa no niavian'ny hoe mihatsaravelatsy - tsy milaza izay ivelan'ny tsihy
fa ny fivelaran'ny tsihy. Ny famelarana tsihy ho an'ny vahiny manko dia
mari-panajana, fanehoam-pihavanana sy fitiavana. Koa raha ny tsihy fotsiny
no mivelatra fa hafa ny ao am-po dia izay no mihatsaravelatsihy. |
||||||||
| Inona ary izany ??? | |||||||||
|
?
|
Ilaimena
tazonina @ rambony (Hitanao @ manaraka ny valiny) |
||||||||
| Alamino ny teny miparitaka ka akambano tsara dia ahazoana ohabolana | |||||||||
|
|
FA
DY LAI HANA NO KA VA NGA ISA TY IRAY MPI RA (ho hitanao @ manaraka ny valiny) |
||||||||