Ity pejy ity dia natokana ho an'ny teny malagasy. Maro ny zavatra tsy ampoizina miandry antsika ato, ka dia mazotoa mamaky tompôko.

Raha toa ka mba misy te-handefa tononkalo, tononkira na ohabolana ..., aza misalasala !

Faly Miharaba antsika rehetra indray !

Vita izahay no fotoana fialan-tsasatra - Eny ! mandalo ihany izany fotoana izany anefa koa na dia fohy aza dia tena mamy dia mamy ! Manantena izahay fa samy nanaraotra sy nahazo fahafinaretana daholo isika rehetra ary koa efa samy niomana amin'ny andrikitra miandry azy.

Ny ankizy moa dia hamonjy ny sekoly indray, ary faly ery hihaona sy hitantara amin'ireo mpiara-mianatra ny zava-natao sy vitany nandritra iny fakan-drivotra, sady koa moa miramirana ery fa voavao daholo ny fotaovana ho entina amin'izany.
Fantatra laotra fa tena tsy mora ho an'i dada sy neny ny fanomanana an'izany, anefa moa ny tena tanjony sy ny hafaliany dia ny hatafitan' ireo somboniainy ka na dia andaniany vola aman-karena aza dia tsy mikely soroka izy ireo.

Ny lehibe kosa indray dia hiverina hamonjy ny andraikiny ary samy efa vonona avokoa ! Ny akamarony aza dia samy efa nandray ny asa aman-drahara fanao andavan'andro.

Noho izany dia samy mirary fazotona sy fahombiazana ho antsika rehetra ary ho samy ho ambinina sy ho tahin'Andriamanitra avokoa amin'izay rehetra hatao !

Hitohy tsy ho ela indray ny serasera "MALAGASY" hahitan-tsika ireo karazan-tsakafo, fombafomba samy hafa sy ny sisa sy ny sisa.....

Veloma finaritra vetivety Tompoko ô !

-------
p.s : aza kamokamo intsony moa é ! vetivety ihany ange ny fakan-drivotra manaraka e ! Tsikitsiky amin'izay é !

IREO TEO ALOHA 0 - 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20 - 21 - 22

-

12-09-2003 --- Isaorana manokana i N.