|
MATSIRO
: Trondro endasina
 |
1 - Kikiso ary
diovy ny trondro
3 - Amaino tsara @ voron-damba madio
2 - Alefaso ao anaty lafarinina mifangaro sira sy dipoavra
4 - Afanao ny menaka ary ataovy mendimendy tsara
Marihina fa
:
- azo rarahina tongolo raviny sy kotomila voatetika eo ambony rehefa
aroso na koa miaraka @ lasaosy
- Ampiarana @ vary ny tena maha tsara azy ary asio kely ròan'anamala
angé ho hitanao é !!!
......Inona
ny masaka é????
|
Diso
fantatrao laotra fa "Ny tongolo raviny"
- Be hotrikaina, indrindra ny vitamina C
- Mba hahazoana ny vitamina ao @ dia ampiasaina tsy andrahoina, miaraka
@ sakafo hany mantaa, na salady, atody, lasaosy.... |
RAITRA
NY ANARANA MALAGASY !! 
|

|
Lahy
: Lahy
: Faly - Baliaka
Vavy : Ravo - Sariaka - Mirana
Lahy/vavy : Finaritra - Tsiky
|
TSIKY
|

|
Inona ary avy
ny laoka misy ao Madama a ?
- Hena kisoa ritra, hena omby ritra, akoho saosy ary laiso sy hena
kisoa.
- Ary io @ io vilany iray io ?
- Lany 'ty kah !
- Izay "lentille"izay no tiako, ry Madama, "lentille"
sy inona ?
- Tsy "lentille", fa LANY ITY ho aho
- Hay vé ?
|
-
Halazako an'I Dada tsara I Neny fa nanao bà t@ iny lehilaly
iny !
- Hoaka re ry Bema fa namako fotsiny iny fa iny 5.000 FMG hamidinao
"Goûter" dia aza miresaka an'I dada an'izany izany
zanako izany an !
Ny ampitson'iny indray
- Halazako an'I Neny tsara izao I Dada fa nanao bà an'I vehivavy
iny !
- Ialahy koa leitsy ry Bema, zavatra namako fotsiny iny. Iny 2.500
FMG hividian'ialahy "goûter" dia aza miresaka an'izany
@ drenin'ialahy !
- Ity fotsiny ve ry dada ?
- Fa inona indray no tadiavin'ialahy efa vola be ange iny ?
- Koa I Neny rehefa miteny hoe :"aza miteniteny an'i dada hoe
nanao ba an'iny lehilahy iny izy",dia manome 5000 FMG fa ny an'i
Dada 2.500 FMG fotsiny.
- Re razaka ô ! Ahoana tsara hoe leity ry Bema a !...... |
INONA
ARY IZANY ? 
|

|
Mana-maso, manam-bava,
manan-tanana, fa tsy manam-bozona
Valiny
: FOZA
|
RAFETO
ARY ALAMINO NY TENY MIPARITAKA DIA HAHAZAHOANA OHABOLANA
|

|
GOVI
ERA MAHA NY MAN TA PANY TOY TRA TOKY ALEO IZAY
Valiny
:
Aleo mahatoky tapany, tsy izay mangovitra erany
|
FISAVASAVANA

|

|
KATRY
:
Ny "katry" dia mitovy hevitra amin'ny hoe : mamo, bila,
mandrfy lalana, tafiditra, gatry.... Tsy teny vaovao na noforon'ny
tanora akory io, araka ny mety ho fiheveran'ny sasany, fa fiovan'ny
"gatry" (teny tranainy) Fahita eo amin'ny teny malagasy
ny fiovan'ny "g" ho "k" : ganagana/kanakana na
gebaka/kebaka, giaka/kiaka |
|
RAMATOA
:
Ramatoakely no iantsoan'ny ankamaroa'ny olona vehivavy tsy mbola
manambady na mpitovo. Ny hoe "tovovavy" anefa dia efa
mahalala izany, ary "Ramatoa" ho mari-panajana na mbola
tsy manambady azan y vehivavy. Miaka midina toy ny anaran-dRamatokely,
araka ny ohabolana, ny hoe Ramatoakely : ny matoa dia lohany nefa
lazaina hoe kely indray, ka toa miharo fanambaniana na fanesoana.
Tsy misy mpiteny ny hoe Andriamtoa kely, na mbola mpitovo azan y
lehilahy.
|
IRAY MIELATRA I "Dago"
|

|
- Efa tonga
izao ny fotoana ny fanadinana ka nanomboka ny 16 jona lasa teo ny
CEPE
- Voalaza fa hiavaka @ ity taona ity ny fankalazana ny fetin'ny
Fahaleovantena @ 26 jona ho avy izao
|
HERITRERITRA 
|

|
Tsy
misy na dia iray aza sahy milaza, fa ho tompon'izao rehetra izao
manerana ny tany, tsy mahafantatra ny iray segondra eo aminy.
Ny finoana no tena fandresena, meteza misaotra an'Andriamanitra
ianao fa nekeny ny fangatahinao
(Dadanaivo Randriambelonarisoa)
|
NY ANY AMINAY
|

|
NY
DIDIM-POITRA :
Fomba fanao antsika malagasy io - eo @ 20.000 ka hatr@ 125.000 FMG
ny manao azy - ny andro ririna sahala @ izao no tena fanaovana azy
satria @ izay dia mora sitrana ny fery no koa efa miakatra ny vary
ka afaka manao fety tsara ny olona satria manam-bola -
Koa dia arahaba ririna - samy vita é !!!!!
|
FISAVASAVANA
|

|
"TANIN-DRAZANA"
Heverin"ny Ntaolo fa an'ny razana ny tany, mpandova ihany ny
taranaka aty aoriana. Etsy andaniny, rehefa maty ny tsirairay voa
tompon'ny tany. Izany, angamba, hoy ny fiheveran'ny sasany, ho anisan'ny
mampihisatra ny fandrosoana eto amintsika : tsy mihevitra ho tompon-tany
ny velona fa mpindrana ihany, hany ka mitana sy manohy ny efa vitan'ny
teo aloha fotsiny ; tsy misy fanitarana firy, na fanamboarana.
|
TARA-PAZAVANA
|

|
Andriamanitra
dia Fitiavana : koa izay mitoetra ao amin'ny fitiavana dia mitoetra
ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy (Jaona I : 4/16)
|
INONA
HONO HOE ?
|

|
Raha voa ny gripa ianao dia tsotra ihany - mangala :
- ravim-boasary makirana na tsotra : 4
- ravina papaya 1
- kininim-potsy kely
Teneo ary hangotraka dia dia misotro erany sotro : maraina - antoandro
- hariva
Ary azo atao hevoka tsara koa
|
RITSOKA
|

|
JEREO IREO AMBANY
Raha toa ianao
mitraka hijey ireo ambony
Dia aza manonofy ny hahita fiadanana
Fa ny hetahetanao voa maika tsy hitony
Mijery ny elanelanao sy ireo lazaina ho mpanana
F'andeha ka
miondreha, tazano ireo ambany
D'ireo izay tsy mitafy, mahantra fara idiny
Angamba ianao hisento na mety hitomany
Misaina izato lahatra zava-tsy safidiny
|
Kanefa vetivety
dia iny ianao hiaiky
F'ianao dia mbola miaina anatin'ny mazava,
Miohatra amin'ny hafa mazana manjokaiky
Tsy manana harapaka fa mandry fotsy lava
Hitsiry anatinao
ny tena fifaliana
Hitsiry anatinao ny tena fiadanana
Raha toa ianao manaiky hitondra fanampiana
Hoentina manarina ireo ory sy tsy manana
Satria
ny fiadanana dia azo omena endrika
Ho fanekena tsotra hanondrotra ny ambany
Raha vitanao izany, deraiko ianao fa mendrika
Satria voaorinao ny paradisa an-tany
(Sedera Ravalison)
|
OHABOLANA
|

|
Aza
manao fitia paraky, ka hatreo am-bava no miakatra ihany
|
KALOKALO
TAKARIVA
|

|
SAMBATRA
Sambatra
ianao avy eo
Sambatra aho
Rehefa tafaray izaho sy ianao
Hitondra fitiavana iray vaovao
Natokako irery ho anao
Avo be ka tsy takatro
Ilay kintana omeko anao
Fa
todiko foana na dia eny ianao
Hamiratra ho ahy manontolo
Fa ho ahy tiako ho ahy irery ianao
Hiadana sy ho finaritra aho
Hitety izao tontolo izao
Hiaraka aminao
Ho hitan'ny ambany lanitra
(JOY
K)
|
IREO
TEO ALOHA
0
- 1
- 2 - 3 -
4 - 5 - 6
- 7 - 8 - 9
- 10 - 11 -
12 - 13 - 14
- 15 - 16
- 17 - 18 -
19 - 20
- 21
|
|
"En
direct de tana"
Ces prix seront mis a jour régulièrement
pour nous tenir au courant
Banque
centrale (cours moyen pondéré)
1 € = 7 014 FMG 
Change
banque primaire :
- Achat : 1 € = 6 758.510 FMG 
- Vente : 1 € = 7
140.252 FMG
Parallèle
:
- Achat : 1 € = 7
060 FMG 
- Vente : 1 € = 7
160 FMG 
Vary gasy na
makoliaka : ±2.500 FMG/kg
Voanjo-bory lena : 750 FMG/kapoaka
Kitozan'amalona : 7.500 FMG/fehezany
Voasary : 2.500 FMG/kg
Papay : 2.500 fmg/iray
Savoka : 750 FMG /iray
Goavy : 3.000 FMG/kg
Ny vokatra amin'izao fotoana izao :
- savoka, papay,
voasary isan-karazany ary ny goavy
- sosety - voatavo - voanjobory
- mangahazo, vomanga ary ny saonjo
Marihina moa
fa misy daholo ihany koa ireo legioma sy voankazo samihafa ary ny
hazan-drano dia somary manahirana kely ihany fa kely ny vokatra
miakatra eto Antananarivo
Dia amin'ny manarak'indray é !!!!
Infos
du 05.07.2003 --- Merci à N.
|
|