Ity pejy ity dia natokana ho an'ny teny malagasy. Maro ny zavatra tsy ampoizina miandry antsika ato, ka dia mazotoa mamaky tompôko.

Raha toa ka mba misy te-handefa tononkalo, tononkira na ohabolana ..., aza misalasala !

MATSIRO : Atin'akoho endasina

Atin'akoho
Dipaovra
Sira
Menaka fanendy

1. sasao tsara ny atin'akoho, tsihifo ary asio sira sy dipaovra
2. afanao atao matimaty ny menaka
3. arotsay ny atin'akoho ary avadibadika matetika mba tsy ho henjana
4. rehefa mendimendy dia esorina @ mba tsy ho mafy

Marihina fa :

- azo asiana tongolobe be koa izy io rehefa madiva ho mendy tsara mba ampatsiro kokoa azy
- azo atao laoka tsara @ vary sosoa na koa @ vary maina dia ampiarana @ rò na anamamy sy angivy

......Tsara nahandro é !!!

Diso fantatrao laotra fa "Ny angivy"
- tsara ho an'ny aty
- fahandro miaraka @ sakafo indrindra ny ròn'anana
- rehefa avy manao fetifety iny ianao ka voky matsiro dia manaova ròn'anana sy hena asiana angivy

MEVA NY ANARANA MALAGASY !!

Lahy : Meja - Mandresy - Mandimby - Mirado - Mahery - Mitamby
Vavy : Mitia - Mitantsoa - Manoa - Miarantsoa
Lahy/vavy : Mirindra - Mihamina - Mihoby - Miarymamy - Mihaja - Misanda

TSIKY

Dada sy Neny a ! Rahoviana indray ao no mankany dry Dadatoa fa tena nahafinaritra mihitsy tany Ambanivohitra. Nentiny tany niaraka t@ tany anaty ala ao, dia nisambotra voanosy izahay, dia nisikotra paiso fa ny tena mahafinaritra be mihitsy any ka dia nijery ireo biby rehetra tao koa izahay .
- Ahy tokoa moa ianao izay voa nahita ny tany dry Dadatoa, tsara ihany ange no mba mahita sy mahafantatra ry Peta é, amin'izay tsy tantarainy ny namanao hoe izao hono !
- Tena marina ny an'i Dada fa soa ihany fa nahita fa amin'izay izao indray no mitantara an'i Bozy rahampitso rehefa any ampianarana fa kay ireny kisoa ireny rehefa miresaka dia mitovy an'i Dada mihitsy ny fiteniny rehefa ilay matory miesona be iny Dada, i Peta anefa izao mba mahalala an'izany akory.

INONA ARY IZANY ?

Mana-maso, manam-bava, manan-tanana, fa tsy manam-bozona

(Valiny @ malagasy manaraka)

RAFETO ARY ALAMINO NY TENY MIPARITAKA DIA HAHAZAHOANA OHABOLANA

GOVI ERA MAHA NY MAN TA PANY TOY TRA TOKY ALEO IZAY

Valiny :
Aleo mahatoky tapany, tsy izay mangovitra erany

IRAY MIELATRA I "Dago"

 

-Hiova tsy ho ela ny vola gasy ary tsy ho FMG intsony sahala ny mahazatra fa lasa ARIARY daholo
- Maha variana fa na dia efa hisasaka azy ny vola mey dia mbola misy rivon-doza mandalo ihany ary tsy vitan'izany fa mbola midona sy avy ny orana
- Hatr@ voalohany ny taona 2003 dia efa in-3 nidina izao nividiny solika anefa ny vidim-piainana dia misondrotra ihany
- Manao grevy indray ny pmiasa lalamby malagasy fa tsy nandray karama
- Tena mbola tsapa ny hasarotam-piainana tao aorian'ny "krizy" ka manahy ny sarotra ny mpandrahara ary misy aza moa dia nanakatona ny orin'asa mihitsy
- Marihina fa nanomboka t@ 1er mey iny izany dia efa voaloko "bezy" daholo ny fiara-karetsaka, izay tsy voaloko dia tsy mahazo mandeha intsony ary alainy manam-pahefana daholo ny taratasy momoba azy !
- Araka ny lalana miantra dia mandoa saram-pivezivezena (vignette) daholo na ny mandeha kodiarana roa aza : bisikilety (2.000 FMG) ny motosikikety tsy misy nomerao (10.000 FMG)
- Telo izao ny orin'asa anabakabaka (Air Madagascar - Air France - Corsair) mifandimby mampitohy an'i Madagasikara sy Eropa ary in-9 isan-kerin'andro izy ireo no mivezivezy eo (marihana fa eo ihany koa anefa ny Britih Airways)
- Manjaka dia manjaka tokoa ny herisetra @ izao fotoana ka tsy misy izay tsy mibabababa : halatra samy hafa, manendaka, vaky trano, famonona olona, fangala olona an-keriny sns...
- Manao fampielezina momba ny ady @ aretina "SIDA" ny gasy : @ fahita lavitra, vata fandraisam-peo eny na any am-piangonana rehefa mitory teny aza

HERITRERITRA

Raha anjakan'ny fiahara-monina tsy misy rimbona ny fiainana dia ho lavorary ny fiainanana mandalo
(Dadanaivo Randriambelonarisoa)

NY ANY AMINAY

Any ambanivolo ihany koa no mbola ahitana ny "TSIAKAFARA" izay fomba iray isaorana ny razana noho ny fitahiany sy ny fanatanterahany ny fanirian'ireo taranaka. Izay rahateo mbola mahatongany trano gasy misy ny faritra antsoina hoe "anjoro-firazanana" eny avratra atsinanana ka andrarahana taoka kely.

FISAVASAVANA

"TANIN-DRAZANA"
Heverin"ny Ntaolo fa an'ny razana ny tany, mpandova ihany ny taranaka aty aoriana. Etsy andaniny, rehefa maty ny tsirairay voa tompon'ny tany. Izany, angamba, hoy ny fiheveran'ny sasany, ho anisan'ny mampihisatra ny fandrosoana eto amintsika : tsy mihevitra ho tompon-tany ny velona fa mpindrana ihany, hany ka mitana sy manohy ny efa vitan'ny teo aloha fotsiny ; tsy misy fanitarana firy, na fanamboarana.

TARA-PAZAVANA

Hientan-kafaliana sy haravoana noho ny hatsaram-ponao aho (Salamo 30-8)

INONA HONO HOE ?


Raha toa ka miloko fotsy ny rindrina ao tokan-tranonao ka misy lavaka kely t@ fantsika noesorina na koa t@ zavatra hafa, tsotra fotsiny mangala famotsina nify fotsy (pâte dentifrice) dia tsetseno @ iny fotsiny sady tena mety tokoa no tsy mandany fotoana.
-----

Raha sendra vakivaky ny faladianao, mangala hodin'akondro, rehefa maraina voa mifoha ianao dia koseo @ ilay "hoditra akondro fotsy anatiny" iny ilay faladia vakivaky - endrasana kelikely voa sasana - ny hariva koa dia toy izany rehefa avy manasa tongotro iny ianao dia hosory sahala @ izay aloha ny hidiranao ao anaty fandriana. (ny maraina alohan'ny sasana - ny hariva rehefa avy misasa)

RITSOKA

 

MASOANDRO MODY

Alo-mandady
Toa lamba sinarika ny hery tsy hita
Tonga sahady
Mambabo tanety dia lasa miampita......

... Izaho manontany ;
Mba aiza ka aiza eny am-tampon-kavoana
Ary no hiafarany,
Fa dodona laotra ty resako maona ?


Ny mody masoandro :
Ditsoka faona ny ampelan'ny maso
Satria isan'andro
Lasa ka lasa tsy azon'andraso

Ka toa manjoretra
Voasingotr'izany ny fo manontolo,
K'izay manam-petra
Dia masoandro mody daholo daholo

ZAKARANDAHY

OHABOLANA

Ny alahelo toy ny rahona : rehefa mavesatra mianjera

KALOKALO TAKARIVA

IRERY

Irery aho, irery eto
Irery miandry ety
Irery aho irery miantso
Irery miandry anao
Tsapako fa mafy izany
Sigan'ny lavitra akany
Irery aho irery miandry
Irery tsy eo ianao

Ho faly sy ho mirana
Raha indro ianao tonga mandray
Ilay antsoko tsy ela izay
Vimbino ho ahy ilay hery iray
Fifankatiavana hatrizay
Ho voninkazo soa indray
No irony iarahako ho iray

Tsy ho ahy intsony anefa ianao
Tsy hipody ihany koa
Izay angaha ho fantatrao
Fa hahitanao soa
Na ho sarotra amiko aza izany
Mandehana tsy manahy
Irery aho, irery eto
Irery tsy eo ianao

(NADII)

IREO TEO ALOHA 0 - 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20 - 21

"En direct de tana"
Ces prix seront mis a jour régulièrement pour nous tenir au courant

Banque centrale (cours moyen pondéré)
1 € = 7 014 FMG

Change banque primaire :
- Achat : 1 € = 6 791 FMG

- Vente : 1 € =
7 164 FMG

Parallèle :
- Achat : 1 € =
7 000 FMG
- Vente : 1 € =
7 240 FMG

Vary gasy na makoliaka : ±2.500 FMG/kg
Voanjo-bory lena : 750 FMG/kapoaka
Kitozan'amalona : 4.000 FMG/fehezany
Kaki : 2.500 FMG/kg
Paoma marikivy 3.000 Fmg/kg
Voasary : 2.500 FMG/kg
Papay : 7.000 fmg/iray
Savoka : 500 FMG /iray
Goavy : 3.000 FMG/kg

Ny vokatra amin'izao fotoana izao :

- paoma marikivy - kaki - savoka ary ny goavy
- ravintoto - anamadinika - sosety - voatavo - voanjobory sy ny ravim-bomanga

Marihina moa fa misy daholo ihany koa ireo legioma sy voankazo samihafa ary ny hazan-drano dia somary manahirana kely ihany fa kely ny vokatra miakatra eto Antananarivo

Dia amin'ny manarak'indray é !!!!

Infos du 16.04.2003 --- Merci à N.