|

|
Na izaho, na
ianao
Mpifankatia natao hoe mandrakizay
Teo aloha, isika roa
Iray saina, iray koa ny fo
Olon-droa samy manana zo
Ny andraikitra tsy mitovy avokoa
Sendra sampanana mizara ny làlana
Mizorà,
aza miandry ahy
Veloma, soava tsarà
Lalànan'ny
fiainana izany
Hoy ianao tamiko nitomany
Anjarantsika mamerina izany
Ilay fitiavana mankararirary ahy
Hay fitiavana tsy natao ho ahy
Fa nahoana ?
Izaho manontany
Fa nahoana ? Tsy misy namaly
Miankavia, miankavanana
Mitady izay ho namana
Miandry anao
Raimbl'
|
ANTSAM-PITIAVANA
Fa fitiavako
ianao, fifaliako, fahasambarako...
Vahatr'aina, tanjon-tokana, eny tokana ifaharako..
Ametrahako ny androko, ny fo, fanahy sy fisainako
Aminao no miantombola ka miafarana ny fiainako....!
Fa fiatiavako
ianao, eritreritro, fanahiko...
Tsy hisaraka amiko eny, na aiza na aiza tany itsahiko !
Tompon'ny safidim-poko, mpanamaka ny momba ahy !
Anjely hiambina ahy hatrany raha izao alaim-panahy !
Fa fitiavako
ianao, eny tena fitiavako !
Hira mamiko izany tsy afaka eo am-bavako !
Hira mamiko indrindra, ô hirako hatrany !
Fa fitiavako
ianao , e fitiavako madio...
Hoy ny teny fivoadina atolotro anao anio :
Ho fitiavako ianao mandra-podiko ho tany !
Dox
|