MATSIRO : Anana sy hena kisoa

Hena kisoa mifangaro
Anana (anamamy na anamajinika na anana....)
Menaka 1 sotro
Sira

1. Teteo ny hena, sasana ary endasodaso kely ao anaty vilany
2. Asio rano sy sira, saromy ary avela eo ambony afo
2 . Tangosana ny anana, sasana madio, ary rehefa masamasaka ny hena dia arotsahy miaraka ao ny anana
4. Rehefa afaka ½ ora dia angarona, ary avela ho masaka sy ho ritra tsara -

Marihina fa :

- atao laoka io nahandro io ary raha toa ka ho anina @ vary maina dia asio lasary karaoty sy ron'ovy miaraka tongolo sy voatabia
- azo atao mifanasaka ny hen'omby sy ny henan-kisoa (raha tiana)

......Mihinana finaritra e !!!

MEVA NY ANARANA MALAGASY !!

Lahy : Andry - Andritiana
Vavy : Anja - Antsa - Antema - Arisoa - Ariela - Alitiana - Anjarasoa
Lahy/vavy : Ambininina - Andrianina - Antenaina - Ando

TSIKY

Faly ery I Lita sy Bozy fa hatory an'I Nenibe sy Dadabe na dia efa zatra ny fiainana an-drenivohitra aza ! Rehefa avy nisakafo alina sy ny sasa dia lasa izy ireo samy namonjy ny efitra fandriany - Ary nandalo ity Renibeny nanontany soa mbola misy zavatra ilaina - Tao @ I Bozy izy aloha ary nanontany an'I Bozy :
- Fa maninona ity indry reitsy no tsy miankajo rehefa matory ?
- Izao no akanjo mandry lamaody r'I Nenibe a ! Andraso fa rehefa miasa ao dia hividianako fahita lavitra I Nenibe fa tsy mba mahafantatra ny zava-misy mihitsy.
Lasa indray izy nankany @ i Lita dia gaga nahita azy tsy niankajo ka nanontany an'i Lita toa izany koa, ary hoy Lita namaly azy sady efa redremana..
- O ry Nenibe a ! Dia tena efa nilaozan'ny toentr'andro mihitsy ianao izany, izany ve dia mbola fanontaniana apetraka ihany é, izao no lamaody ?
Lasa nivaoka nitsaitsaika i Nenibe andeha hatory - Nony tonga tao an'efitra fandrian'izy dia ny tsamboatra i Dadabe nahita azy tsy niankajo ka nanontany azy ?
- Handray fa maninona ianao no tsy miankajo Ramatoa ?
Tsy rotritra akory i Nenibe namaly azy : "Fa izany ve dia mbola fanontaniana atao Rangahy ô, izao no akanjo mandry lamaody, efa antitra mihitsy ianao ity ka ! "
- Eny Ramatoa mety efa antitra marina ao, anefa kosa na izany, maninoa moa raha mba pasohina kely ny akanjo-mandry nao lamaody io é ?

IRAY MIELATRA I "Dago"

 

- Tapitra @ faran'ny volana aprily ity ny fahavaratra, tonga eo @ elanelan'ny tono taona izika izao sady efa fohy ny andro - Ny maraina sy ny hariva dia somary efa mangatsiaka kely -

- Tokanana @ 1er Mey izo ny fiaramanidina izay hofain'ny orin'asa Air Mad mampitohy an'i Parisy sy Antananarivo ary hitondra ny lokony orin'asa - In-3 isankerin'andro ny fitaterana, dia ny talata, ny alakamisy ary asabotsy no miala eto Antananarivo ary alatsinainy, alarobia ary ny zoma no miala an'i Parisy mankaty Antananarivo

- Marihina moa Mpandraraha iray ao Afrika atsimo ao no nahazo ny fampiasana ny Lalam-by malagasy - Arak'izany dia niverina ny lamasinina mampitohy an'Antananarivo/Ambatodrazaka anefa na izany dia tena mbola fivoarana be mihitsy - sady tena maloto no tsy mba nolokoina, izany trano fivohana izany dia aoka fotsiny - ny seza moa moa na dia ao @ "kilasy voalohany aza " dia misy mifatotra @ tady anefa tao mianjera ihany.

- Niverina nalaza indray ny fankalazana ny Paska t@ ity taona ity an'i Antsirabe - noho izy betsaka ny fialam-boly hita : eo ny rindran-kira samy hafa, ny "braderie", ny fampisehona, ny alim-pandihizana sy ny sisa..... Torak'izany koa ny an'i Ambila Lemaitso, ary misy Trano fandraisam-bahiny vaovao voa nisokatra mitondra ny anarana hoe :" Le Dauphin Hotel"

HERITRERITRA

Vokarina ao anatin'ny saina izay zavatra tsinjon'ny fanahy, ary anajaran'ny andon'ny fo ny mamelombelona izany ho tonga filamatra, ary taratry ny fihetsika sy fotondran-tena (MIAIKI)

NY ANY AMINAY

Any ambanivolo ihany koa no mbola ahitana ny "TSIAKAFARA" izay fomba iray isaorana ny razana noho ny fitahiany sy ny fanatanterahany ny fanirian'ireo taranaka. Izay rahateo mbola mahatongany trano gasy misy ny faritra antsoina hoe "anjoro-firazanana" eny avratra atsinanana ka andrarahana taoka kely.

TARA-PAZAVANA

"Izao no lazain'i Jehovah ; aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny ; Ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin'ny heriny" Jeremia 9 : 22

RITSOKA

 


VEHIVAVY...?

Izy ilay voara endrika ny saha,
Izy ilay tatamo matehizaha,
Izy ilay raozy haingo-jaridaina,
Izy, ilay vehivavy fototry ny aina

Izy ilay tsiniana anin-java kely faona
Izy ilay miroso, tsy mihevitra himaona,
Izy ilay malefaka kanefa andry mafy,
Izy, ilay vehivavy mivonona hiafy

Izy ilay mpikolo, mpitarika hivavaka
Izy ilay mpitsena amin'ny tambitamby miavaka
Izy ilay mpitsinjo ny ho avy lavitra any,
Izy ilay vehivavy mpamana ny akany


Izy ilay nalaina tamin'ny taolan-dehilahy
Izy ilay "mpanampy" mendrika ny sahy
Izy ilay nitondra ny "mpjakan'ny mpanjaka"
Izy ilay vehivavy naondrika mitraka

Izy ilay vady hendy avy tamin'ny Jehovah
Izy ilay misikina hery, miasa tsy miova
Izy ilay manatsotra tanana ho an'ny ory, manjoretra
Izy ilay vehivavy mihantra sy mitsetra

Izy ilay satroboninahitry ny lahy
Izy ilay miatrika ady kanefa tsy manahy,
Izy ilay manoka-bava amin'ny fahendrena
Izy ilay vehivavy feno pahendrena.

(ARINAIVO)

OHABOLANA

Ny nenina tsy eo aloha hananatra fa aoriana handatsa

KALOKALO TAKARIVA

Harmonia

Izay feon-kira izay feon-kirantsika
Henoy tsaroanao ve izay ilay mozika
Natao fidirana taorian’ny litorzia
Ianao nitendry ilay Harmonia
Izay feon-kira izay tsaroako tsara
Izahay sy nenitoa niditra tara
Tery aloha tery, vao nisy hitoeranay
Fa voka-dehibe tamin’izay
Andro Paska moa io andro io
Hipoka avokoa ny dabilio
Vao niditra izahay dia hitako ianao
Nitendry ilay Harmonia

Nitodika ianao nijery ahy
Toa te-hitsiky angaha nefa tsy sahy
Izaho safaikatra, namindra saikatra
Saiky tsy afa-nandeha raikitra
Niondrika aho satria menatra mafy
Hilefa ho aiza moa voatery nihafy
Ny doboky ny fo injao fa mafy ery
Toa hoe hihoatra ilay Harmonia
Tsy dia fantatro izay lohateny
Ny hany tsaroako dia ny feony
Fa ho ahy mantsy izy izay
Lay feona Harmonia
Feon-kira milaza Fitia.

Bessa

IREO TEO ALOHA 0 - 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20

"En direct de tana"
Ces prix seront mis a jour régulièrement pour nous tenir au courant

Cours indicatif € (Banque centrale)
1 € = 6 999 FMG

Change banque primaire :
- Achat : 1 € = 6 754.35 FMG

- Vente : 1 € =
7 124.982 FMG

Parallèle :
- Achat : 1 € =
6 906 FMG
- Vente : 1 € =
7 140 FMG

Vary gasy na makoliaka : ±2.500 FMG/kg
Voanjo-bory lena : 1.500 FMG/kapoaka
Kitozan'amalona : 4.000 FMG/fehezany
Kaki : 2.500 FMG/kg
Paoma : 3.000 Fmg/kg
Voasary : 2.500 FMG/kg
Mananasy : 1.500 - 3.500 FMG/ iray
Papay : 7.000 fmg/iray
Savoka : 500 FMG /iray

Ny vokatra amin'izao fahavaratra izao :

- mananasy - paoma - kaki - poara - voaloboka - raotra
- ravintoto - anamadinika - sosety - voanjobory ary ravim-boatavo sy ny ravim-bomanga

Tena vokatra be ny mananasy t@ ity taona ity sady mamy no be ranony

Marihina moa fa misy daholo ihany koa ireo legioma sy voankazo samihafa ary ny hazan-drano isan-karazany !

Dia amin'ny manarak'indray é !!!!

Infos du 20.04.2003 --- Merci à N.