MATSIRO : Sosety endasina

Sosety 3 na 4
Lafarinina 6 sotro
Lalivaina
Sira
Rano
Menaka

1. Voasy ary teteho fisapisaka manify ny sosety ary ampagotray ao anaty rano misy sira
2 . Raha voa mangotraka dia tsihifo ny rano ary avela angatsika ny sosety
3. Anfagaroina ao anaty tsatokaty ny lafarinina, lalivaina ary ny sira voatoto, asiana rano ary atao maridriatra
4. Ampadalovy ao anatin'io lafarinina mifangaro voalaza eo ambony ny sosety efa voampangotraka
5. Rehefa izany, alatsaho ao anaty lapaoly misy menaka mangotraka mihaotra azy
6. Endaso, avelao hitsika tsara ny menaka

Marihina fa :

- azo soloina atody kapoina ny lalivaina atao aminy
- azo atao laoka tsara izy io na koa tsakitsaky
- tsara kokoa raha mafana no hinana azy
- raha tianao hikarepoka ny sosety endasina na mangatsiaka azy dia avereno endaso kely in-2

.......Hafa indray io an !

Diso fantatrao laotra va "Ny legioma"

- Raha tianao ho voatahiry tsara ny ana-maitso sy ny legioma dia fafao ary fonosy gazety dia avela @ toerana mangatsiaka
- Ny ovy sy ny tongolobe dia saronana taratasy fotsiny fa tsy mba fonosina ka hatao eo @ toerana mangatsiaka sy tsy tratry ny hazavana
- Hadio tsara sy handositra ny bibikely ao anaty salady sy legioma raha asiana sira kely na vinaigitra ny rano hanasana azy
- Mariana fa ny legioma dia mitondra hotrikaina mahasalama isan-karazany
- Raha manana fikasana hanahy tena ianao dia mazava laotra fa tsara ny mihinana legioma indrindra raha atao mantamanta miaraka @ hena atono

MEVA NY ANARANA MALAGASY !!

Lahy : Toavina - Mahery - Hajaina
Vavy : Felana - Ravo - Meva
Lahy/vavy : Nantenaina - Tsiry - Mialy

TSIKY

Mba te hanamafy sy hanamporofo ny tena fitiavana an' ity fofombadiny I Lita ka hoy izy taminy :
- Raha mba fantatrao mantsy r'y Tiako fa any aminao faona ny eritreritro ary tena tsy mahita tory mihitsy ange izao fa miheritreritra anao faona, tena marina é !!!!
- an ! an ! tsy manamporofo na inona na inona izany ka ! Fantatrao moa fa I Dada dia tsy mahita tory mihitsy koa rehefa mieritretranao, dia mihevitra ve ianao fa midika koa izany hoe, tianao izy ???

Niazakazaka ity mpanpandroso sakafo tao @ trano fisakafano iray fa toa lasa nandeha tsy nandoa vola ity lehilahy iray rehefa avy nisotrosotro bebe sady noteneniny:
- Azafady Rangahy fa adinonao ny nandoa ny vola ny zavatra rehetra nosotroinao tao ?
- Tsy an ! tsy izany mihitsy, matoa ange izao misotro dia mba miezaka ny anadino ny zavatra rehetra, anefa ianao indray no mampatsihahy ahy.

IRAY MIELATRA I "Dago"

 

· Efa rehan-tsika fa hahazo fiaramanidina ny fitaterana malagasy "Air Madagascar" ka hantenaina fa hiverina @ te aloha ny famovoizana rehetra ary mba ho tsara tsara kokoa ny fandraisana ireo mpiasa ao anaty fiaramanidina
· Hisy fifaninana fiara ho an'i tanora 18 - 30 taona hatao @ 30 marsa ho avy izao izay karakarain'ny Styl'n Cars ary mitondra ny anarana hoe "Rallye Jeunes Total" ary ao Lazaina no hanatontosana an'izany - @ 12-13 aprily kosa no hanatotonsana ny "Rallye Jovenna"
· Misy gazety vaovao voa niforona eto Madagasikara ary mitondra ny anarana "Gazette de la Grande Ile", miseho isan'andro izy io, ary ny vidiny dia roan-jato ariary.
· T@ ity volana marsa ity dia nidina ny vidiny solika - enga anie ka tsy hiakatra izany @ izao ady dry zareo samy vaventy an'ivelany izao
· Mbola momba ny fiara karetsaka ihany - mba hazony n'ireo tompony fiara karetsaka mandoko ny fiarany ho bezy dia ny loko ihany no vidiana fa ny mandoko dia maimaim-paona.

HERITRERITRA

Fa toy ny "Omby masiaka ny FANIRIANA ka manoto tompo raha ratsy fatotra" (Abeline Eléonore)

NY ANY AMINAY

Any ambanivolo ihany koa no mbola ahitana ny "TSIAKAFARA" izay fomba iray isaorana ny razana noho ny fitahiany sy ny fanatanterahany ny fanirian'ireo taranaka. Izay rahateo mbola mahatongany trano gasy misy ny faritra antsoina hoe "anjoro-firazanana" eny avratra atsinanana ka andrarahana taoka kely.

TARA-PAZAVANA

"Sambatra izay voavelo ny helony sy voasarona ny fahotany" - Rom. 4:7

RITSOKA

 


MBOLA HISY

Mbola hisy andro iray
Hahatsiarovanao ny anarako
K'amin'izay fotoana izay
"efa tapitra ny anjarako"
Mbola hisy-vanin'andro
Tsy ho hay kosehina ao an-tsaina
Hamerina ako isan'andro
Ka ny fo no ho savolaina
Mbola hisy ny tsy ampoizina
Hampibaribary indray
Ilay rivotra voapoizina
Nanempotra ny fiainanay
Mbola hisy andro tony
Hamelombelona aina
Ka tsy ny ao am-po intsony
No ho tompon'ny lazaina
Mbola hisy andro iray hahatsiarovanao ny anarako
K'amin'izay fotoana izay
"efa tapitra ny anjarako"
(Ny Felana Maraina)

 

INONA HONO HOE ?

Raha anao mofo mamy ianao ka tianao halemy aingana ny dibera voa navaoka tao anaty vata-fapangatsiana dia ataovy ao anaty tsatokaty misy ronono

OHABOLANA

Maha sambatra kokoa ny manome noho ny mandray

KALOKALO TAKARIVA

SEDRA (POOPY)
Efa ela ihany izay
Ny fotoana niharana
Ny fanaiky izao sy ianao
Tsy hisy ny fisarahana
Dia nivolana ny ho doria
Nanome toky ny hifankatia
Ho tohy ny lamban'akoho ny fiharahana
Faty no hisarahana

Dia samy novolavolain'ny fiainana teny isika
Dia samy nandalo sedra niaritra ny mafy
Asa raha any aminao, fa mbola manantena aho
Ho matotra, ho mafy ny fatotra

Taty aoriana indray
Nisy kapoka mahamay
Ny setrasetra ianao
Nianjona koa aho
Ka nitady nihenjana
Ts'isy nety niresaka
Dia navalona teo ilay ho doria
Nolotoina ilay fitia

Dia samy novolavolain'ny fiainana teny isika
Dia samy nandalo sedra nizaka fijaliana
Tsy resy anefa aho, mbola mijoro koa ianao
Samy vonon- kisedra ny ho avy hiseho indray

Tsy resy anefa aho, mbola mijoro koa ianao
Samy vonon- kisedra ny ho avy hiseho indray

IREO TEO ALOHA 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20

 

"En direct de tana"
Ces prix seront mis a jour régulièrement pour nous tenir au courant

Cours indicatif € (Banque centrale)
1 € = 6.920 FMG

Change banque primaire :
- Achat : 1 € = 6 574 FMG

- Vente : 1 € =
7 058,40 FMG

Parallèle :
- Achat : 1 € =
6 830 FMG
- Vente : 1 € =
7 150 FMG

Vary gasy na makoliaka : ±3.000 FMG/kg
Voanjo-bory lena : 750 FMG/kapoaka
Kitozan'amalona : 4.000 FMG/fehezany
Kaki : 3.500 FMG/kg
Poara : 3.000 FMG/kg
Paoma : 3.000 Fmg/kg
Voasary : 3.000 FMG/kg
Mananasy : 1.000 - 3.500 FMG/ iray
Voaloboka : 4.500 FMG/kg
Raotra 1.000 FMG/kapoaka

Ny vokatra amin'izao fahavaratra izao :

- paoma - kaki - savoka
- ravintoto - anamadinika - sosety - voatavo - voanjobory ary ravim-boatavo sy ny ravim-bomanga

Marihina moa fa misy daholo ihany koa ireo legioma sy voankazo samihafa ary ny hazan-drano isan-karazany !


Dia amin'ny manarak'indray é !!!!

Infos du 24.02.2003 --- Merci à N.