Ity pejy ity dia natokana ho an'ny teny malagasy. Maro ny zavatra tsy ampoizina miandry antsika ato, ka dia mazotoa mamaky tompôko.

Raha toa ka mba misy te-handefa tononkalo, tononkira na ohabolana ..., aza misalasala !

MATSIRO : Lasary legioma

Laiso fotsy
Karaoty
Traramaso tanora (aricovera)
Sakay be
Tongolobe
Kiseny madinika (kokombra kely na cornichon)
Menaka
Sira + Vinaigitra + dipaovatra + tamotamo (curry)

1. silao 4 ny laiso - esory ny raviny ratsy sy ny taom-be anatiny
2. voasy ny karaoty
3. Sasao ary teteo madinika ireo
3. tagonsana ny tsaramaso tanora ary vakio roa
4. asio menaka kely ao anaty lapaoly dia arotsahy miaraka ireo, avadika ary tandremana anefa mba tsy ho masaka
5. rehefa ritra tsara dia atao ao anatiny ny tsatokaty ary avela hangatsika
6. tetehina madinika ny sakay be, atao boribory fisaka ny tongolobe, ary atao fisaka lavalava ny kiseny ary arotsaka ao anaty vinaigitra efa nasiana sira, dipaovatra ary tamotamo
7. rehefa vita izany dia arotsay ao anaty tsatokaty misy ny legioma ary ampifangarona tsara

Marihina :

- fa haroso miaraka @ vary sy laoka ritra izy no tena maha tsara azy
- afaka ampifangarona @ vary maina koa
- na koa atao anaty mofo

.......Tsara homana ô!

Diso fantatrao laotra va "Ny Tongolobe"

- Raha hanina manta izy dia manampy @ fivalanan-drano sy ny fialan'ny sira
- Miaro @ aretina ary tsara ho an'ny hoditra sy ny volo noho izy misy solifara
- Fanao miaraka @ hani-manta : salady na lasary
- Fahandro miaraka @ hena sy ny legioma

TSIKY

- Hono hoa aky, tena ratsy torimaso be mihitsy ise alina izay, sady mivadibadika no miantsoantso.
- Ka tena vizana ao no sady be laotra ny asako amin'izao fotoana, tsy hitan'ise ve fa mba miezaka ihany ao ny hody aloha fa tsy lasa mihitsy é ! Tena mandreraka ka, aiza ka na dia an'ny am-pandriana ary aho dia asa faona no ao an-doha !
- Marina izany, fa izaho koa anga efa mba manao sakafo mampodipody aina - Ary hono hoa ? Mba iza ilay Edwige noresahinao t@ nofinao iny e ! Io anarana io faona no tononinao !
- Hay ve ! Ka mahasosotra ts'inona ! Ilay alika ny Tojo namako izany e, ry zareo ireny koa anga dia mahavarina e ! Betsaka no anarana azo omena an'ny alika dia Edwige no atao anarany, olona vendrana - @ izay ange dia tsy mba hoe Corinne fa I Edwige é !
- Mahavariana tokoa izany ?
- Tena vendrana fa tsy raharan-tsika izany fa ny fiainan-tsika no hataon-tsika tsara e !
- Ka tena mahavariana ange fa niantso teo ilay ALIKA Edwige, ary nitady anao e !
- An………

IRAY MIELATRA I "Dago"

 

· Efa rehan-tsika fa nodimandry i Me Francisque Ravony praiministra t@ alahady lasa teo - nalefa tany Vohipeno ny razana ary nodorana avy eo dia nafafy teo @ toeram-pitsangantsanganana iray an'i Vohipeno ihany - Marihina fa hazo kesika (pin) 1 taonina no nanantanterahina izany ary araka ny hafany dia tsy nisy nahazo naka sary -
· Mihamaro ny gasy no manao fromazy @ fomba tsotra dia tsotra any an-tokontranony ho anto-pivelomana
· Hatramin'izao dia tena mbola misy fiantraikany be dia be dia @ vahaoka malagasy ny krizy t@ taon-dasa iny
· Niakatra ho 0.3% ny vidin'entana any an-tsena, marihina manokana ny fisondrotan'ny vidim-bary @ izao vanim-potoana izao
· Betsaka ny olona mibodo tany efa vita baorina
· Efa lasa fomba fanao ny gasy ny fanaovana varotra fampiratina "vente-expo" na koa varotra misy fihenam-bidy "super braderie" - anefa tsikaritra @ izany fa dia kely ihany ny fihenam-bidy @ vidiny andavan'andro - @ 5, 6, 7 8 ary 9 marsa izao no hanaovana ny manaraka eny @ Lapan'ny kolotsaina sy ny fanatajahantena eny Mahamasina, tranoeva 131 no hatsangana @ izany ary hisy ny artista 15 hanafa ny fotoana sy koa fampisehona lamaody
· Mirongatra indray ny asan-jiolahy : mpanparo-posy, sito-mahery, vaky trano eny fa na dia ny fiara mandeha izao ara dia tonga dia hidirany fotsiny - ny mpivaron-dasantsy dia hanisany lasibatra koa

HERITRERITRA

Tsy misy olombelona afaka milaza fa manana ny fahefana hanolotra ny fanomezana mankadiry, satria efa ao amin'ny velona rehetra ny atao hoe "SAROBIDY" dia ny "AINA".
Rakotobe Ratsimanisa

 

NY ANY AMINAY

Betsaka ny fombafomba maha malagasy - An'isany izany ny fanajana ny lehilahy na kely na lehibe, indrindra moa ny vady - Raha mifampiharaha dia ny vehivavy no manatona ary miharahaba mialoha, torak'izany koa raha mandroso sakafo dia manomboka @ ilay lehilahy antitra indrindra, sns sy ns… izany hoe isika tena mbola mitana an'ilay ny lahy lohan'ny vavy

TARA-PAZAVANA

Indro izaho hoy Jehovah, Andriamanitry ny bodo rehetra, moa misy zava-mahagaga izay tsy aiko va ?
Jer. 32-21

RITSOKA

 


EO ANILANAO

Fiteny, tsiky, hehy
Arahim-pahendrena
Sy hatsaran-tarehy
No manosika ny tena
Ho eo anilanao...!

Ilay hanitrao manento
Mahenika aty fo...!
Manetsika ny sento
Hipololotra avokoa
Ho eo anilanao...!

Feo malefa-topy
Manetsika fanahy ;
fanomezan-toky
Mamelombelona ahy
No natolotrao...!

Dia feno hanitra ny foko
Hanim-pifaliana mamy ;
Ny fiainako tsaroako
Toy ny tsy eto an-tany
Fa eo anilanao...!

R. Mamy Olivier

INONA HONO HOE ?

Raha sendra bobogonlo ny kiraro, na poketra na koa ny zavatra vita @ hoditra dia kosehina @ rano be vinaigitra ary avela ho maina izay voa hosorana "mampagirina"

OHABOLANA

Maha sambatra kokoa ny manome noho ny mandray

KALOKALO TAKARIVA

TSY ADALA AHO (Tarika Ambondrona)

Soa heverinao adala aza aho
Leo niandry anao
Toa tsy ho haiko intsony ny mitana
Ilay fitiavako taloha

Famerenana :
Izany faona ve no hiainako
Rehefa eo ianao
Sao kosa ary neninao
No nahita ahy
Tsy sanatria hoe leo lany ny mamy
Izay niharahana hatr'izay
Tofoka laotra aho
Leo anao
Ka ny miala sisa no azo hatao

Tsy adala aho raha miresaka ny ataonao
Ka aleo hijanona eo
F'izay vita aleo hivalona ho tantara
Manavao indray no mety

IREO TEO ALOHA 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20

 

"En direct de tana"
Ces prix seront mis a jour régulièrement pour nous tenir au courant

Cours indicatif € (Banque centrale)
1 € = 6.823 FMG

Change banque primaire :
- Achat : 1 € = 6.584,195 FMG

- Vente : 1 € =
6.945,814 FMG

Parallèle :
- Achat : 1 € =
6.850 FMG
- Vente : 1 € =
7.140 FMG

Vary gasy na makoliaka : ±3.000 FMG/kg
Voanjo-bory : 1500 FMG/kapoaka
Kitozan'amalona : 5.000 FMG/fehezany
Kaki : 6.000 FMG/kg
Poara : 4.000 FMG/kg
Paoma : 3.500 Fmg/kg
Voasary : 4.000 FMG/kg
Mananasy : 750 - 3.500 FMG/ iray
Voaloboka : 4.500 FMG/kg

Ny vokatra amin'izao fahavaratra izao :

- mananasy - paoma - kaki - poara - voaloboka - paoma - ravintoto - anamadinika - sosety - voanjobory ary ravim-boatavo

Marihina moa fa misy daholo ihany koa ireo legioma sy voankazo samihafa ary ny hazan-drano isan-karazany !


Infos du 20.02.2003 --- Merci à N.