Ity pejy ity dia natokana ho an'ny teny malagasy. Maro ny zavatra tsy ampoizina miandry antsika ato, ka dia mazotoa mamaky tompôko.

Raha toa ka mba misy te-handefa tononkalo, tononkira na ohabolana ..., aza misalasala !

MATSIRO : Tilapia sy henan-kisoa

Tilapia : 2 kg
Henan-kisoa : (tehezany ½ kg)
Tongolobe 6
Tongololay 2
Voatabia lehibe 2
Menaka
Sira

1. Sasao ary teteo ny hena
2. Hafanao ny menaka ary alefaso ao ny hena efa voatetika atao mendimendy kely
3. Rehefa vita izay dia asio rano
3. Kikiso ny tilapia, sasao hadio ary ario ny ao anatiny dia zarao telo na efatra avy eo ary arotsahay ao anatin'ny vilany misy an'ilay henan-kisoa
4. Voaso ny tongolobe sy ny tongololay ary teteo ny voatabia dia arotsaka miaraka @ asio sira
5. Avelao hangotraka tokony ho 10 minitra dia ahenao ny afo ka avelao ho ritra moramora eo ambony ny afo
5. Ritra tsara ny trondro rehefa masaka

Marihina :

- Ny trondro sy henan-kisoa dia tokony ho ritra tsara ary atao ampy sira ary tsy angarona mihitsy
- Endrasana mangatsiaka no tena maha tsara an'io laoka io
- Azonao ampiarana miaraka @ lasary karaoty ka voasarimakirana no atao lasaosy amin'ny

.......Aza mijery izay eo ankaikinao mihitsy an!!! !

Diso fantatrao laotra va "Ny Tondro"

- Ny trondro dia feno hotrik'aina isan-karazany , mahasalama ary na andrahoina na hatòno, na koa endasina dia tena matsiro tokoa, fa tandremana tsara mba tsy ho simba.
- raha te-hivatsy trondro an-tany lavitra ka tsy tiana ho simba eny an-dalàna ny trondro dia tataho ny kibony sy ario ny ao anatiny rehetra ary vontonsy sira anatiny sy ivelany, dia fonosy ravin'akondro.
- Mora esorina ny kiran-trondro raha atsoboka vetivety (30 secondra) ao anaty rano mangotraka alohan'ny hikikisana azy

TSIKY

Tao aminy trano fisakafona iray no niseho ny tantara
- Azafady ange, jereo fa misy lalitra ato anaty ny lasopy narosonao !
Tsy rototra akory ilay mpanpandroso sakafo namaly :
- Esory fa tsy maninona e ramose a.
- O rangaha t`y, toa tsy rarahinao akory fa andana antsoy ny lehibe nareo,
- Ka efa miteny aminao ao, esory fa tsy maninona, na antsoiko eo ary izy, tsy mety hinana an'io lalitra io mihitsy koa ange izy e....


- Mamizaka ao no miresaka aminao Andriamatoa fa raha izao no vadinao dia nasiako poizina io kafe sotroinao io !
- Ary tena mifanojo ny eritreritr'isika Madama fa raha izao no andefimandrinao dia nosotroko aingana ilay kafe misy poizina fa tsy tantiko ny mifamaly aminao.

IRAY MIELATRA I "Dago"

 

· Tao aoriana ny fanovana ny governemanta, dia nisy koa ny fanovana ny Filoham-paritany sasantsasany - Nisy no nanaiky mora nanao ny famindra-pahefana misy kosa anefa no tsy dia faly laotra no izao fanovana izao.

· Ao Iarivo miisa 5 800 ny ankizy mirenireny faona eny rehetra eny araka ny fanisana natao

· Tantara an-tsary : hofohazina ny lazan'ireo sanganasan'ny malagasy

· Fandikan-dalàna : nihena 80% noho ny tamin'ny taona 2001 ny tamin'ny taona 2002, hoy ny tompon'andraikitra ambony @ izany

· Voalaza fa atsy ho atsy dia asiana fehiny (bande collante) manjelatra daholo ny fiara lehibe mpitatitra entana mba ho soroina ny loza @ ireo mpamily fiarakodia indrindra @ alina.

· Marihina fa fotoana ny orana moa izao noho izany dia manararaotra ny mpiasa-panjakana sy ny sampana samihaha mamboly hazo.
· Fetin'ny fitiavana moa afaka andro vitsivitsy ka manao dokam-barotra sy manomana an'izany koa ny trano fisakafona , ny mpivarotra ary ny mpanakanto mba hisarihana ny olona

HERITRERITRA

FAHAFAHANA ?

Fanilo mitsilo ny lalam-nen'ny velona no sady mpanjohy hatrany ny valan'eritreiny, te hamantatra ny "MISY" sy ny miafina ao aminy.
Rakotobe Ratsimanisa

 

NY ANY AMINAY

Ny atao hoe "ALIN-DRATSY" dia andro tsy maintsy hodin'ny vehivahy amin'ny vadiny raha nisitaka ny tokan-tranony izy ary nody tany amin'ny raiaman-dreniny. Io andro io, dia ny alina alohan'ny Taom-baovao -

Io no andro firavoravona ny fianakavian'ny lehilahy manambady ary antsoina hoe "FANDROANA". Ny VAVIMISINTAKA dia tsy maintsy manatrika eo na tsy eo aza I ralehilahy vadiny, raha tsy izany dia voasazy mafy ary mety miafara @ fivarotanana an-dravehivavy mihitsy aza na koa anaovana an-dravehivavy ho "VADIN'NY LANITRA SY NY TANY" izany hoe tsy mahazo manambady intsony.

TARA-PAZAVANA

Jehovah no nitarainako tamin'ny fahoriako dia namaly ahy izy. Sal. 120 : 1

RITSOKA

 

HAY  IANAO

Dray ! hafa izato fahitako !
Toa izaho ihany ity
Nefa tsy afa-kilamako
Na hamboraka fitia
Ilay saha niparasaka tsy hita
Ilay saha tetsy ampita ;
Ary ny hijoroako
Aza toa tsy misy, fa ny foko
No mikododo tsy voafehy.
Hay tsy izany fa ianao
No hiovan'izao sy izao.
Hay ianao ilay tarehy
Niriko hohaigoina,
Hokoloiko ho domoina
No nisinto-mahery
Izay rehetra nojinery.hay ianao lamba fotsy
No velatra mandrotsy
Ka indro mahamoana
Ny fitiavako efa naona...

NY AINA

INONA HONO HOE ?

Raha misy kitro ny tongotrao mandidy voatabia manta, hafatory eo @ faritra misy kitro mandritrin'ny herin'andro, ary soloy isan'andro.

OHABOLANA

Fitia mifamaly mahatsara ny fihavanana

KALOKALO TAKARIVA

ANJARANTSIKA ROA

Antenaiko tsy ho very
Fa mbola hitohy, sy ho avy ny
Anjaran-tsika roa
Ny masoandro no nilaza fa
Mbola hisy, sy ho avy ny
Anjaran-tsika roa

Ela moa no tsy nahita anao e
Ka, manantena sady miandry aky
Ela no te ho eo anilanao e
Satria, mbola ho avy ny Anjarantsika roa

Ny ampitso no efa iny
Hanambara fa tsy nofy ny
Anjaran-tsika roa
Mba tsinjovy irony andro
Fa voafidiny sy tantanany
Ny Anjaran-tsika roa

Jean Freddy (KAIAMBA)

IREO TEO ALOHA 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20

"En direct de tana"
Ces prix seront mis a jour régulièrement pour nous tenir au courant

Cours indicatif € (Banque centrale)
1 € = 6.770 FMG

Change banque primaire :
- Achat : 1 € = : 6 533.050 FMG

- Vente : 1 € =
6 891.860 FMG

Parallèle :
- Achat : 1 € =
7.140 FMG
- Vente : 1 € =
6.850 FMG

Vary gasy na makoliaka : ±3.000 FMG/kg
Voanjo-bory : 1500 FMG/kapoaka
Orana na patsa be : 30.000 - 120.000 FMG/Kg
Oran-dava (Langouste): 75.000 - 150.000 FMG/Kg
Kaki : 6.000 FMG/kg
Poara : 4.000 FMG/kg

Ny vokatra amin'izao fahavaratra izao :

- paiso isan-karazany - mananasy - paoma - kaki ary ny paora
- ravintoto - anamadinika - sosety - kokombra - voanjobory ary ravim-boatavo

Marihina moa fa misy daholo ihany koa ireo legioma sy voankazo samihafa ary ny hazan-drano isan-karazany indrindra ny orana (patsa be)!


Infos du 04.02.2003 --- Merci à N.