Ity pejy ity dia natokana
ho an'ny teny malagasy. Maro ny zavatra tsy ampoizina miandry antsika
ato, ka dia mazotoa mamaky tompôko.
Raha toa ka mba misy
te-handefa tononkalo, tononkira na ohabolana ..., aza
misalasala !
MATSIRO
: Ron-kabaro
maina
Hena misy taolana na miaraka @ tsoka na koa salamanga
Kabaro 2 kapoaka (raha aty Frantsa ianao : any @ mpivarotra africanina
no mividy)
Tongolobe 4
Tongololay 2
Voatabia 2
Sakaybe 1 na 2
Sira
1. Fanteno sy sasao ny kabaro ka lomy mandritra
ny ora maromaro na iray alina tontolo.
2. Ataovy ao anaty vilany ny hena sy ny kabaro, atao difo-drano
ary saromy
3. Voaso ny tongolobe sy ny tongololay ary teteo ny voatabia dia
arotsaka miaraka @ asio sira
4. Rehefa mangotraka dia avelao eo ambony afo malefaka mandra-pahamasany
(adiny 2 eo eo)
5. Rehefa akaiky ho masaka dia arotsaka ny sakay be voatetika mavetivety
Marihina :
- Hatao laoka no tena maha tsara azy ary aroso mafana
- Ny rano nandomana azy ihany no ampiasao @ fandrahoana mba tsy
ho very ny otrik'aina sy ny sira mineraly ao aminy
- Mora masaka kokoa ny voa-maina raha hafanaina mialoha ny rano
andrahoan'azy
- Azonao ho hanina tsara miaraka @ sakay koa
.......Manasa ary Tompoko ô !
Diso
fantatrao laotra va "Ny Sakay"
Sakay patsa, sakay tsyleondimilahy, sakay voatabia,
sakay fantsin'akolahy sns...
- Manaitra ny rora sy ny vavony ka mampazoto homana sy manatsara
ny fandevonan-kanina. Mamono otrik'aretina
- Fanao sy fihinana @ sakafo miaraka @ nahandro rehetra
- Fanaigona sakafo masaka na manta
- Ary voalaza aza fa ny sakay pilopilo maintso dia mahatsara ny
vavony
TSIKY
- Dia faly izany ialahy ry Donto fa tsy ho lokoina
manga indray ny fiara Taxi-nareo an !
- "Bezy" indray no hatao lokony é !
- ka tsy aleo tokoa letsy, "bezy" toa izay "manga"
?
Dia jereon'ialahy, fa raha natao "manga" daholo ny Taxi
dia tsy hay intsony fa dia ireny mpiasan'ny CUA (Commune Urbaine
d'Antananarivo) ireny ialahy isany.
- Na dia handoko ilay fiara fotsiny aza, dia mahakamo
- Amin'izao loko "bezy" izao, dia ny fiara indray no mibitabitaka
ny hoe "bezy-moi, bezy-moi" hitan'ilahay ?
Nalaina tao @ gazety "Tribune" Asabotsy
11.01.2003
IRAY MIELATRA I "Dago"
· Betsaka ny trano mianjera ary misy koa
ny olona maty no orana be laotra
· Tafatsangana indray ny mpikambana vaovao ao @ Governemanta
- Marihina fa gouvernemanta faha-4 izao hatramin'izay naha Filoham-Pirenena
an'Ingahy Ravalomanana Marc
· Nisy banky vaovao voa nisokatra indray
eto Antananarivo " C.M.B." raha manokatra kaonty ao ianao
dia tsy maintsy mametraka petra-bola 2.500.000 FMG fara faha keliny.
· Araka ny efa fantatra moa dia ny antoko
tarihiny'ny filoham-pirenena no nahazo vato be t@ fifidianana solombavabahaoka
· Voalaza fa hisondrotra 12% ny karama ny
mpiasa-mpanjakana @ ity taona ity
· Na dia efa manomboka masiaka aza ny mpitandro
filaminana dia mbola manao ny fanaony ihany ny mpamily Taxi-bé
: mijanona sy mandray olona eny rehetra eny ka maha be ny lozam-piarakodia
· Raha nitaraina ny tantsaha t@ taon-dasa
fa tsy ampy ny orana, t@ ity taona ity kosa dia sady lasa aloha
ny orana (voalohan'ny volana oktobra) no tena avy faona mihitsy
ary hatahorana ho safotry ny rano ny vokatra sady manomboka miakatra
ny rano eny @ fefiloha. Efa misy ny traboina @ izao fotoana izao.
Isak4alina dia tena oran-mikiza
· Na dia efa voalaza aza fa manga sy mavo
no ho lokony Fiara karetsaka dia izao tapaka fa hatao volon-tsokola
tanora dia tanora na "bezy" indray no lokony
NY ANY AMINAY
- Voalaza fa ny any @ faritra atsimo
ny Nosy, ny foko Antandroy, rehefa manao fangatahambady dia tsy
maintsy manome fanomezana "AOMBE SONIA" (omby) ralehilahy
- Ny any Atsinana kosa na Betsimisaraka dia manome vola na "DIAFÖTAKA"
Raha voa votolotra ireo dia efa mahazo miteny an'izay ho tokony
"ho vidiny zanany" ny Rain-dravehivavy.
TARA-PAZAVANA
Ary ho an'Izay mahay manao mihaotra
noho ny zavatra rehetra, eny, mihaotra lavitra izay rehetra angatahintsika
na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika. Efes.
3:20
RITSOKA
MITAHIRY
NY SOATOAVINA
Ranomasina tsy hita fetra ny taona diavintsika :
Ndraika manonja, ndraika mitony.
Sambokely mitety onja ny nofo aman-drantsika,
Ka ao ny rendrika, ary ao ny tafita.
Taolam-balo mitafy nofo izany, hono, Raolombelona
Kanefa raha miendan-koditra dia tsy hafa fa hena manta.
Kanefa raha tapa-tongotra dia olombelona nahafahana.
Na lava ezaka anefa ny taona
Ka mety hisy andro maditra sy tao-mihodivitra
Ny mpivahiny tsara fiomanana,
Mavitrika faona fa tsy azo resena.
Koa arabaina aza izay tafita
Ka tratry ny taom-baovao 2003 dia ho :
Taom-pandresena
Taom-pahombiazana
Taom-piadanana
Taom-pahasoavana
Taon-tsoa, taon-tsara
Ho antsika rehetra anie ity taona iy,
Ka izay hitady mba hahita, ny hita mba hanambina,
Ary fanambinana azy,
Mba ahazoan'ny tena, manasoa ny hafa,
Ka ho voninahitr'izy tompony.
Tsy ho voan'ny an-tanan-tena na haratry ny
An-tanan'olona, fa ho tojo ny sambatra
Ary tsy ilaozan''ny mananjara.
Mbola-Namana
INONA
HONO HOE ?
Raha mahandro vary ianao ka tsy tianao
ho raraka ny ranony rehefa mangotraka iny, dia asio menaka kely
ny rano andrahoan'azy
OHABOLANA
Ny anam-badian-kiterahana ary ny
iterahan-ko-dimby
KALOKALO
TAKARIVA
MISY
TSIKINAO 'ZAY
Misy tsikinao'zay
Misy tsikinao 'zay
Tsy hay akifika
Fa midongy ao
Ao an-tsaiko ao
Mikorana mora
Ao am-poko ao
Isan'andro 'izao !