Amin'ny fo feno hafaliana sy fitiavana aran-tsiky no hiharabanay antsika tsiraray avy na ny lavitra na ny eto an-toerana tratrin'izao Taona Vaovao 2003 izao.

Ho Taona feno fahasambarana sy fifaliana ary hitondra fahasalamana ho an'i tsiraray anie ity Taona ity.
Maniry koa izahay raha maniry ny soa sy ny tsara indrindra ho an'i tsiraray avy.

Samy ho lava andro iainana ary ho tanteraka amin'ny tsiraray ny hetahetam-pony.

Ny ando ny lanitra sy ny tsiry ny tany ary ny fahasoavany ny Tompo izay tsy mety ritra hitoetra ao amin-tsika mandrakariva.

"Misaora ny Jehovah ry fanahiko.. ary misaora ny anarany masina"

Ny tompon'andraikitra an'ity Tranon-kala

TONONKALO HARIVARIVA

 

ARAHABA TRATRY NY TAONA 2003

Avelao ho lasana any
iny taon-dasana iny sy ny
ratrany mavàny
Niharo toby sy tomany !
Fa ny taona tonga kosa
ho feno soa miavosa
hampitraka indray ny loha ;
ka ny herin-tsaina hifoha
ary ny hanitry ny miora
mitombaka isan'ora
no hanenika ny hoavy
ho antsika mianakavy.

Dia ho zinam-pifaliana
ho lavitra ny fahoriana ;
ny fikasana soa rehetra,
ny faniriana tsy voafetra,
mba hahomby hatrany hatrany
dia ho lanitra ny tany

Taona Mamy vaovao no iriko ho anao

(E.R.R-2003)


Dia izay indray ary, fa mametraka mandra-pihaona vetivety - Ho hitanareo tsy ho ela eto indray ireo "nahandro, toro-hevitra sns... mahasoa antsika"

Misaotra Tompoko ô !

IREO TEO ALOHA 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20

Anio, 07.01.2003