Ity pejy ity dia natokana ho an'ny teny malagasy. Maro ny zavatra tsy ampoizina miandry antsika ato, ka dia mazotoa mamaky tompôko.

Raha toa ka mba misy te-handefa tononkalo, tononkira na ohabolana ..., aza misalasala !

MATSIRO : Hen'omby ritra

. Hena omby matavitavy
. Sakamalao
.Tongololay
. Sira
. Rano

1. Arotsahy ao anaty vilany ny hena
2. Asio rano mangatsiaka ka tsy atao mandifotra ny hena fa misafosafo hatreo amin'ny ¾ haavon'ny hena ihany
3. Teteho ny sakamalao ary arotsahy ao
4. Asio sira
5. Andrahoy amin'ny afo malefaka mandritra ny adiny 1 sy sasany ka hatramin'ny adiny 2, na mihaotra, ambara-pahalemin'ny hena.
6. Rehefa akaiky ho masaka dia voasy ny odim-be ny tongololay dia arotsahy bolongany amin'izao
7. Ampio menaka raha toa ka ilaina ary avelao ho menafify tsara @ afo malefaka ary avadibadiho.

Marihina fa :

- Tsy tokony hisy rano intsony ny hena fa menaka fotsiny rehefa masaka
- Tsara raha asiana rano mafana @ tsatoka ao ambany ny lovia misy ny hena mba tsy ho mandry ny hena
- Arosoy miaraka @ vary mafana sy lasary voatabia ary ro-matsatso

Matsiro moa é !

Diso fantatrao laotra ?

- Ny hena andrahoina @ vilany tany dia matsiro kokoa noho ny hena andrahoina am-bilany vy
- Torak'izany koa raha andrahoina @ afon'arona na afo kitay

TSIKY

- Mahagaga, tena mpianadahy ve, Ianao sy I neny, ry dadatoa ?
- Eny anaka !
- Koa nahoana no tsy mitovy ?
- Ny iraitampo ange ka tsy dia ary hitovy daholo é !!!
- Na izany aza, Ineny toa zarazara hoditra sy tsaratsara bika izany, f'i dadatoa kosa toa hafahafa sy manao tarehy...
- Tarehy n'inona retsy ?
- Aoka ihany ka... !
- Lazao fa mba tiako ho fantatra ny tsy mampitovy ahy sy ny reninareo é !
- Lazaiko izany an, tsy bedy aho an ! ………Tarehin-gidro !
- An ? Tarehin-gidron'ny anadahin-dreninao !
- Oay ity dadatoa, lehilahy lehibe miteniteny faona !
- Miteniteny faona ahoana, fa tsy anadahin-dreninao angaha'zaho ?
- Hay tokoa moa ! tsy tezitra moa i dadatoa fa satria tena marina izany é !

IRAY MIELATRA I "Dago"

 

· Vita soaman-tsara tamim-pilaminana ny fifidianana solombavambahaoka ta@ alahady faha-15 desambra lasa teo, miandry ny valiny isika rehetra na dia efa hitahita aza.

· Mpiasa avy @ orinasa afakaba miisa 55 000 no handray asa @ faran'ity volana desambra ity

· Ny fanolonana vehivavy sy ny zaza tsy ampy taona dia tena misy dia misy tokoa eto @ firenentsika @ izao vanim-potoana izao

· Navoazina daholo ny toerana famatsiana lasantsy sy ny mpivarotra. Ka ireto izy ireo : SHELL, GULF, GALANA, TOTAL sy JOVENNA. Marihina fa tsy latsadanja ny an'ivelany mihitsy izy ireo. Hoatra @ izany ary hita eny @ firenena lehibe sy mandroso samihafa : ny fivarotana fanalana hetaheta, sakafo maivana, sigara, boky sns... Eo koa ny tonga dia manasa ny fitaratra ny fiara, na mamafa ny fiara maimaimpaona....

· Ny fampisehoana lamaody "Manja 2002" dia ho totonsaina ao @ Hotel Hilton ny faha 18 - 21 desambra ho avy izao

· Eny na dia hatomotra aza ny fetin'ny faran'ny taona dia mangingina ny fanomanana an'izany - tsy mbola afaka manaotra ny akamaron'ny gasy an-tanindrazana satria tena mafy ilay krizy teo niampy ny fidirany mpianatra

· Fa na mafy aza ny fiainana dia tsy gisitra mihitsy ny gasy amin'ny fiazakazahana @ fandrosoana - ohatra ny portable tena mahavariana fa izay olona mifanena aminao dia toa manana avokoa.

NY ANY AMINAY

Eo ihany koa "Ny famoràna" hita any amin'ny foko Sihanaka, ka hisaky ny volana aogositra no hanatanterahana ny famoràna ireo zazalahy maro an'isa
maim-maim-paona

TARA-PAZAVANA

Tano mafy izay anananao mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao
(Fanambarana 3:11b)

RITSOKA

 

RAHA VAO TONGA IANAO

Raha vao tonga eo ianao, dia hataoko toy izao :
Tsy misy miandriandry, homeko tambitamby.
Homeko safosafo, orokoroka tsy miato.
Raha vao tonga eo ianao, dia hanao kilalao
Kilalao tena fy, fanaon'ny mpifankatia ...
Mbola hamoronako aza
Kilalao hafahafa,
Kilalao vaovao
Mbola ts'isy nanao.
Hadinontsika ny rehetra,
Afaka 'lay HETAHETA .

Bana Ralahy

INONA HONO HOE ?

Raha tianao ho afaka ny arefesina @ vy madinidinika toy ny visy, fantsika sy sns... Alonay ao anaty ranon'na"Coca cola" mandritry 24 ora, esory ary avelao ho maina tsara avy eo hosory menaka, ho hitanao ange !

OHABOLANA

Ny Havana aza mba hadinoina, toy ny kitapo nahafahana entana

KALOKALO TAKARIVA

Velo

Nofafako daholo ny fahatsiarovako
Fa ianao irery, no tsy mba very
Nofafako daholo ny tantaram-pitiavako
Fa ny anaranao no tavela ao

Ô Velo, velon-kira aho e
Fa ianao no velona ao anatiko ao
Ô Velo, velon-kira é
Ny lanitra avo ka tsy takatro

Noteteziko daholo
Izao tontolo izao
Fa tsy mbola misy
Ny mitovy aminao

Noteteziko daholo
Faritany maro
Fa ianao ihany
No mahasaro-piaro

Ô Velo, velom-panantenana
Ity fiainako, efa saika karakaina
Ô Velo, velom-panantenana
Ity fiainako, lasa feno fikasana.

(MAHALEO)

IREO TEO ALOHA 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14- 15 - 16 - 17- 18- 19- 20

"En direct de tana"
Ces prix seront mis a jour régulièrement pour nous tenir au courant

Cours indicatif € (Banque centrale)
1 € = 6.622 FMG

Change banque primaire :
- Achat : 1 € = : 6842.996 FMG

- Vente : 1 € =
6486.730 FMG

Parallèle :
- Achat : 1 € =
7 160 FMG
- Vente : 1 € =
6.800 FMG

Ny vokatra amin'izao fahavaratra izao ::

- manga - paiso isan-karazany
- ny letisy dia tapitra ary zara raha nisy teto an-drenivohitra : 10.000 FMG/Kg
- ravintoto - anamadinika - sosety ary indrindrindra ny cocombra sy ny vaotabia
- Hazan-drano

Marihina moa fa misy daholo ihany koa ireo legioma sy voankazo samihafa



Infos du 18.12.2002 --- Merci à N.