|
· Efa ho iray volana izao dia novidiany "SHOPRITE"
ny magazay CHAMPION - Hisy ny fifaninana eo amin'ny vidin-javatra
satria ny entana amidy ao amin'ny "SHOPRITE" manomboka
amin'ity volana desambra ity dia avy any Afrika Atsimo ny akamaroany
- marihana fa misy an'io magazay io avy koa ao : Antaninarenina,
Analakely, Ambodivona, Talatamaty ary an'i Taomasina
· Amin'ny taona 2003 dia atao mitovy loko mavomavo
daholo ny fiara-karetsaka "TAXI" toy izany koa ny fiara-bé
"TAXI-BE" dia ho lokoina mitovy daholo.
· Miisa 59 izao ny onjam- peo tsy miankina
"STATION RADIO PRIVEE" ao Iarivo ary mihaotra ny 100 eran'ny
Madagasikara
· Manomboka manamboatra ny zaridaina manodinina
an'Iarivo ny Firaisana.
· Nisondrotra ny vidin'ny sigara
· Ny fifidianana solombava-bahaoka dia atao
ny faha 15 desambra ho avy izao - efa nanomboka t@ asabosty 30 novambra
lasa teo ny fampielezan-kevitra manerana ny nosy.
· Efa misokatra indray izao ny efitrano jijerena
sarimihetsika "REX" sy "RITZ". Ny asabotsy sy
alahady dia matetika filma malagasy no mandeha an'isany izany :
"Renikely sy zanabady - Tsy azoko - Rafeloha mena - Mistery
Mbinina sy ny sns...." - Mahasirika olona maro be tokoa ny
filma gasy ka betsaka no mitairana fa tsy tafiditra
· Miverina malaza indray ny hira "Kaïmba"
|