|
MATSIRO
: Mofo
Menakely (25 eo ho eo)
 |
. Lafarinina 3 kaopy
. Lalivay fanaovana mofo 1 sotro kely safo-vavany
. Siramamy 6 h@ 8 sotro
. Atody 1
. Ranom-boasarimakirana 1 mitete
. Sira voatoto tsipidy iray (pincée)
. Rano 1 ½ na 2 kaopy
. Menaka fanendasana
1 - Hafanao ho matimaty ny rano
2 - Ataovy ao anaty tsatokaty ny : lafarinina, lalivay, sira ary
siramamy ; dia ampifangaroy
3 - Asio lavaka eo afovoany ka hararao tsikelikely ny rano sady
harona @ mba hifangaro tsara
4 - Kapoy ny atody ka ampifangaroy tsara amin'ireo koa
5 - Avelao mandritry ny ¼ ora eo ho eo
6 - Hafanao ao anaty lapaoly ny menaka
7 - Alaina tsikelikely @ ny sotrobe io lafarinina voamboatra io,
endaso ao anaty lapaoly misy menaka mafana, ary atao boribory. Rehefa
mendy dia atsihifo tsara ny menaka.
Marihina fa :
- azo asiana akondro io lafarinina voambotra io - dia lasa mofo-akondro
- azo hatao sakafo maraina tsara miaraka ny dite na kafe
- azo ho hanina anelanelam-potoana tsara koa
Izay indray ny masaka é ..
!
|
|
Diso fantatrao laotra ?
Ny voasarimakirana dia :
- tena be hotrik'aina "C" - mamono otrik'aretina sy mampatanjaka
- mahasolo ny vinaigitra izy, hanaigoana sakafo, manome hanitra
ny lasaosy sy ny mofomamy, manala hetaheta, mampangirana ny volo
sy sns
- manamaivana ny mofomamy raha andrarahana iray mitete ny lafarinina
voamboatra
|
TSIKY
|

|
Variana dia variana nijery mpanambady i Lita, ary tsy mbola mahay
laotra ny fomba ny mariazy moa
. Ireny fa nivaoka tao anaty
fiara tantanan'ny Rainy ilay ramatoa kely, ary niditra tao am-piangonana,
nony afaka adiny iray vita ny fanamasinana dia ireny fa mialoha
làlana ny mpanotrona izy roa kely mba ho raisy tànana.
Lasa I Lita nanantona an'I Koto moramora.
- Tena mahery leisy ilay sipa ry Koto a ! Izany ka sipa mahery
- Fa ahoana no tenen'ilahay an'izany, marina fa tsara ny tarehiny,
ny akanjony koa fa tsy dia hitako laotra izay tena mampahery azy,
fa angaha fantatr'ialahy io sipa io ?
- an ! an !... Ialahy koa tena vendrana r'i Koto dia tsy mba matsikaritra
an'izany, tadidio tsara ange, niditra tao am-piangonana izy mody
maotimaotina be ary ilay Radada no fikiriny, nivaoka tao izy ilay
bandy kely iny indray no niarahany sady hita tena miramirana ery
I kala, tena mahery izy ka, fa ny fomba namadiany moramora an'ilay
Radada teo imason'olona no tena matalanjona ahy, I Baina koa dia
bonaika bé fotsiny, tena mahery leisy ilay sipa !
-
..??
|
TARA-PAZAVANA
|

|
Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe : Tiava ny fahavalonareo
ary mivavaha ho an'izay manenjika anareo - Matio 5 : 44
|
RITSOKA
|

|
Ny
eritreritra fahavaratra,
Nijononoka moramora ny orana avy ariva
Ny alina madiva
Hamonto an-torimaso ny lanitra sy ny tany
Ka hitondra any ho any...
Any ho any, nefa aiza ? Aiza ho aiza ny fanahy
Toa reraka, manahy ?
Aiza ho aiza no hampita izao nofinofinao
Izay mamono, no injao mihodinkodina ao am-po
Mihodinkodina ao an-tsaina
Toa rano nohafanaina
J.J. Rabearivelo
|
INONA
HONO HOE ?
|

|
Raha tianao hitazona hamandona ny voninkazonao amin'ny
tavy mandritry ny andro vitsivitsy tsy maha eo anao dia zarao roa
ny ovy mbola tsy mivaofy dia ataovy mandrakotra ny tany eo ambony
tavy boninkazo.
|
OHABOLANA
|

|
Ny olombelona mora soa sy mora ratsy
|
IREO TEO ALOHA
1 - 2
- 3 -
4 - 5 - 6
- 7 - 8 - 9
- 10 - 11 - 12
- 13 - 14 -
15 - 16 - 17
- 18 - 19 -
20
|
|
"En direct
de tana"
Ces prix seront mis a jour régulièrement
pour nous tenir au courant
Cours indicatif € (Banque centrale)
1 € = 6.618 FMG 
Change banque primaire :
- Achat : 1 € = 6.279,50 FMG

- Vente : 1 € = 6.742, 20 FMG
Parallèle :
- Achat : 1 € = 6.700 FMG 
- Vente : 1 € = 6.990
FMG
Ny vokatra amin'izao fahavaratra izao :
- manga sy papay
- ravintoto - anamadinika ary ny pitipoa
- Hazan-drano
Infos du 14.11.2002 --- Merci
à N.
|
|