RITSOKA

TSY HODINGANINA NY MATY...

Hotapahintsika tohy amintsika ve ny maty.
Fa varian miaina isika ? Tsia fa tsapantsika anaty
Ny fitohizantsika aminy...sady isika taizany aza,
Novolainy fahavelona, notezainy fahazaza §

Na ny maty na ny velona, mpianakavy iray ihany !
Mbola homba antsika ihany ireo efa nody tany,
Misy trosantsika aminy, nefa izany dia ho efaina
Amin'ny taranatsika : izay no fitohizan'aina !

Nanaovan-dalana isika ka tsy maintsy hanao lalana !
Nanangana tanàna ka tsy hahazo hialangalana,
Namela fahendrena ka tsy maintsy hamela hafatra,

Mba ho anatry ny velona, ireo maty dia miteny
Moa avela ho faty maso, sanatria, ny fahendreny ?
Tsy hodinganina ny maty amin'ny tohatoha-miakatra

Dox

Ho fahatsiarovana an'ilay "Raozy mpanjaka ny saha"

IREO TEO ALOHA 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20