-Manao akory daholo izato ianareo tompoko ?... Mamangy amin'ny fahoriana tompoko !... Noho izao fahoriana nahalasanan'Itpkvy izao dia mijoro eto ny tenanay mba itondra teny fampiononana ho anareo. Fa hoy ny teny ao amin'ny Soratra Masina hoé :"Ilaozy ny vadinao ho mpitondratena ary ny zanakao ho kamboty f'Izaho no hiahy azy"...

- Azafady indrindra tompoko raha manapaka ny teninareo !... Fa toa "pilia vava" fotsiny izany teny famangiana ataonareo izany !... "Masera" anie Itpkvy ka vadiny sy zanany ahoana ity lazainareo e...

- ???

 

Tafaresaka i Bema sy i Lita kely :

- O leity ry Bema a ! mba ratsy koa leitsy izany kiraron'ialahy izany, nefa ange dadan'ialahy isany toa mba mpivarotra kiraro ihany e !

- Ssh ! Ny an'ialahy aza mba mpanao nify ihany ny dadan'ialahy nefa ny zandrin'ialahy tsy manana afa-tsy nify roa !!! *

 

 

Niara-nitsangatsangana i Koto sy i Zefa namany indray andro. I Zefa moa araka izany anarany izany dia somary tsy dia mahataka-javatra izay ihany. Nony nandeha elaela izy roa lahy dia nihoraka i Koto :

- O ry Zefa a ! Jereon'ialahy iry vorona maty iry !

- Aiza izany ? Aiza izany hoy i Zefa sady niandrandra ny lanitra izy.

- !?! *

* Santionany nalaina tao amin'ny gazety TADY - FJKM Soamanandrariny (May 2002)

IREO TEO ALOHA 1 - 2 - 3 - 4 - 5 - 6 - 7 - 8 - 9 - 10 - 11 - 12 - 13 - 14 - 15 - 16 - 17 - 18 - 19 - 20 - 21