|
>>>>>>>>>
VERSION MALGACHE<<<<<<<<<<<
"Iza
moa ny Andriandranando ?" : famintinana ny famelabelarana ny tantaran'Andriandranando
nataon'i Razafintsalama Claudia Nirisoa, mpampianatra mpikaroka tao amin'ny
Foibe ara-kolontsaina amerikana eny Antanimena, ny asabotsy 26 oktobra
2002.
Andriandranandobe
Andriandranandobe no razambe nipoiran'ny taranak'Andriandranando,
izay sampana iray manokana ao amin'ny fianakaviamben'ny andriana. Teraka
tamin'ny taona 1550 teo noho eo izy, ary i Andriamamilazabe sy Andriamanentohento
no ray aman-dreniny. Andriana nifehy vahoaka izy ireo ary nitoetra tao
amin'ny faritra bezanozano. Midika ve izany fa foko bezanozano no niaviany
?
Voalaza koa fa misy fifandraisana amin'ny razamben'ny mpanjaka teto imerina
izy ireo : faramandimbin'i Andrianerinerina.
Izao
kosa no antony niverenan'i Andriandranandobe teto imerina : nihavana
tamin'i Andriamanelo manjaka izy, izay iray razambe aminy ihany. Ka azo
lazaina fa zanakin'ny mpiralahy ...
Nanaiky hanoa an'ity faharoa izy, na dia natanjaka sy be herim-po aza.
Ny antony dia pôlitika : hoan'ny tombontsoa avo indrindran'ny fnajakana,
fomba hitondrana ny vazimba sy hampiraisana an'i Madagasikara iray manontolo.Hany
ka dia nanaiky hampakatra an'i Rafotsindrindra, anabavin'Andrimamanelo
ho vadibeny izy. Ary araka ny fomban'ny ntaolo, nanana vadikely koa izy
: i Ramafoliarivo. Hita teo ary fa nahay nandefitra izy nohon'ny antony
samihafa. Nanomboka teo no nanakarana azy ho Andriana feno.
Raha
ny toetrany indray no jerena, dia voalaza fa vaventy, lava sady
natanjaka ary tsara tarehy tokoa i Andriandranandobe. Fantatra koa fa
be herim-po izy sady feno fahasahiana.
Ireto
avy no anjara toerany sy anjara asany : mpanolon-tsaina ny andriana,
manefy vy maro karazany toy ny lefona, firavaka ary koa fitaovana ilaina
andavanandro (antsy ...) izay nampandroso ny harain-karena malagasy. Io
talentany faharoa io no nampitainay tamin-janany.
Ary farany, mpitari-tafika koa izy : maro ireo tetin-kady nampiariny izay
nampalaza azy. Nahay mampiasa ody rahateo izy hentina hiatrika ny fahavalo
: fahaizana hafa kely avy amin'ny rainy izay ombiasy.
Ny
taranak'Andriandranando
Ny taranak'Andriandranando dia nitoetra tao amin'ny vohitra 7 kilometatra
avatr'atsinanan'Antananarivo. Ireto no tanàna nisy an-janak'i
Andriandranando 3 lahy :
- Ny lahimatoa Andriantompoinandriana, na Andriampoinandriana
tao Ambohimailala ary nilofo tamin'ny raharaham-panjakana sy ny fambolena.
- Ny lahiaivo Andriakomahitsy tao Ambohibe, dia nanompo an-jokony sy nirotsaka
tamin'ny fitrandrahana, ny ara-taojavatra ary fanefena vy.
- Ny faralahy Andrianifantsy tao Manankasina-Ambohipotsy, niray asa tamin'i
Andriakomahitsy izy. Tonga mpanefoefo izy ireo ary nodimbiasin'ny taranany
ny fahaizan'izy ireo mihary sy mitantana.
Nihely tsikelikely ireo vohitra nipetrahan'ny taranak'Andriandranando
taty aoriana, ary nitombo ho valo ny vohitra amin'ny "fitsipi-pitondrana
ny terak'Andriandranando" : Ambohimailala, Ambohibe, Betsizaraina,
Soamanandrariny, Iadiambola, Masinandriana, Manankasina ary Ampomanjaka.
Azo
lazaina fa ny Andriandranando dia loharano nipoiran'ny Andriana mpanjaka
teto Imerina sy tamin'ny foko hafa. An'isan'izany ohatra i Andriamasinavalona
: avy amin-dRavololotsimitovy.
Ny
Andriandranando hono dia nanampy an'Andrianampoinimerina tokoa tamin'ny
ady samihafa. Ohatra iray : vatan-dehilahy Andriandranando efapolo
fotsiny dia nahatosika andian-tafika efa aman-jatony hanavotana an'i Soamanandrariny.
Nanaraka ny didin'ity mpanjaka hatrany moa izy ireo.
Hany ka tsy mba sarotiny nony nasain'Andrianampoinimerina hitoetra teo
amin'ny faritry ny taranak'Andriandranando ireo lehilahy Tsimahafotsy.
Ary nifangaro tao ny taran'izy roa tonta.
Ho
teny famaranana, voaporofo mandrakariva fa ny Andriandranando hono dia
olona azo antoka sy azo homena andraikitra.
FILAHARAN'NY
ANDRIANA MERINA
-
Tamin-dRalambo (1575 - 1610)
1.
Zanadralambo amin'Andrianjaka.
2. Andriantompokoindrindra3. Andrianamboninolona4. Andriandranando
-
Tamin'Andriamasinavalona (1675 - 1710).
1.
Zazamarolahy
2. Andriamasinavalona
3. Andrianteloray
· Andriantompokoindrindra
· Andrianamboninolona
· Andriandranando
6. Zanadralambo
-
Tamin'Andrianampoinimerina (1787 - 1810)
1.
Izy mirahalahiavy, Izy mirahavaviavy
2. Zanakandriana
3. Zazamarolahy
4. Andriamasinavalona
5. Andrianteloray
· Andriantompokoindrindra
· Andrianamboninolona
· Andriandranando
8. Zanadralambo

BIBLIOGRAFIA
1
- R. P. CALLET, 1908, Ny tantaran'ny Andriana, Edition 1981, Imprimerie
Nationale 1243 p
2
- FIRAKETANA NY FITENY SY NY ZAVATRA MALAGASY, 1937 à 1967 article
Andriandranando p 129-132, Andrianteloray p 152-155
3
- MPANOLO-TSAINA,
n° XVII - XX - 1908 : pp 45 à 48 Andriamifidy : Andriana
Vol X n° 40x1913 p 209 à 216 Andriandranando
Toko I : Ny razana nihavian' Andriandranando
Toko II : Ny nanatonan' Andriandranando an'Andriamanelo
Vol n° XI n° 41 janvier 1914
Toko III : Ny taranak' Andriandranando
Toko IV : Ny amin'Andrianteloray'
4
- RAFOLO Andrianaivoarivony et RANDRIANARIVELO Benjamina
De quelques aspects de l'histoire de Madagascar : l'épopée
des Andriandranando
- Note sur Ambohimailala
- Caractéristique et évolution du groupe des Andriandranando
Imprimerie de Madagascar, 1993, 45 p
5
- RALAIMIHOATRA Edouard
Histoire de Madagascar
4è édition, Editions de la librairie de Madagascar, 1982,
320 p
6
- RASAMOELINA Désiré
Les Andriandranando, un groupe nobiliaire d'Imerina
Mémoire de l'EHESS, Paris, 1975 199 p.
>>>>>>>>>
VERSION FRANCAISE <<<<<<<<<<<
QUI
SONT LES ANDRIANDRANANDO ?
Resumé
de l'exposé de Razafintsalama Claudia Nirisoa, professeur chercheur
au centre culturel americain à Antanimena, sur l'histoire des Andriandranando
le 26 octobre 2002.
ANDRIANDRANANDOBE
Andriandranandobe
etait l'ancêtre des Andriandranando, une des castes de la grande
famille nobiliaire. Il est né vers 1550 et ses parents Andriamamilazabe
et Andriamanentoheto etaient à la tête des peuples Bezanozano.
Serait-il d'origine Bezanozano ?
Il a été dit également que ses parents avaient une
ascendance commune avec certains ancêtres du roi de l'Imerina, eux-memes
descendants d'Andrianerinerina.
Voici
la raison du retour d'Andriandranandobe dans la région de l'Imerina
:
Il s'est lié d'amitié avec le roi Andriamanelo et en plus
ils avaient la même origine ancestrale.
On pouvait dire qu'ils étaient cousins .....
Il a accepté de se soumettre aux ordres de celui-ci même
s'il etait fort et courageux. La raison etait politique : pour le grand
bien du royaume, entreprendre les relations avec les Vazimba, favoriser
l'unité de tous les peuples malgaches. C'est alors qu'il accepte
comme épouse légitime Rafotsindrindra, la soeur d'Andriamanelo
et selon la coutume ancestrale il avait également une seconde femme
(vadikely) au nom de Rafaliarivo. C'est pour ces différentes raisons
qu'il s'est soumis. A partir de là il s'est fait intégralement
annobli.
Pour
ses caractères, on disait de lui quelqu'un d'imposant, grand, beau
et fort. On savait également qu'il etait courageux et téméraire.
Ses
diverses activités :
Conseiller du roi, il travaillait le fer sous toutes se formes : arme
de défense (sagaie), orfevrerie, ainsi que des objets de la vie
courante tel les couteaux, ce qui favorisait l'économie malgache.
Il transmettait ce don à ses enfants.
Il dirigeait également l'armée : plusieurs de ses stratégies
etaient fort célébres. De son père il avait appris
la sorcellerie, technique ancestrale dont il se servait pour combattre
l'enemmi.
Les
descendants d'Andriandranando :
Les Andriandranando vecurent tous aux environs d'Antananarivo, à
7 km au nord-est de la capitale. Ses 3 fils se sont installés respectivement
dans 3 differentes régions :
- l'ainé ANDRIANTOMPOINANDRIANA (ou encore Andriampoinandriana)
vivait à Ambohimailala. Il se consacrait totalement aux services
de l'etat ainsi qu'à l'agriculture.
- le cadet ANDRIAKOMAHITSY vivait à Ambohibe. Il se soumettait
à son frère ainé et participait à diverses
prospections minières. Il se spécialisait dans la ferblanterise
et dans diverses activités artisanales....
- le dernier ANDRIANIFANTSY vivait à Manankasina-Ambohipotsy. Il
s'était rallié à Andriakomahitsy. Eux deux s'etaient
énormement enrichis grâce à leur maitrise et la bonne
gestion economique. Ces dons furent transmis à leurs descendants.
Leurs régions respectifs se sont evolués et plus tard les
castes Andriandranando se sont installées dans 8 régions
environnantes : Ambohimailala, Ambohibe, Betsizaraina, Soamanandrariny,
Iadiambola, Masinandriana, Manankasina et Ampomanjaka.
On
peut dire que les Andriandranando étaient à l'origine des
NOBLES rois de l'Imerina aussi bien que d'autres régions. On peut
citer comme exemple Andriamasinavalona descendant de Ravololotsimitovy.
L'histoire raconte que les Andriandranando ont toujours aidé le
roi Andrianampoinimerina lors des diverses guerres. Par exemple, une quarantaine
d'hommes Andriandranando ont réussi à repousser l'attaque
de quelques centaines de militaires contre la ville de Soamanandrariny.
Comme cité plus haut, les Andriandranando respectaient toujours
la volonté royale, si bien qu'ils acceptaient l'installation des
hommes Tsimahafotsy dans leur région. Ce fut l'origine de leur
cohabitation.
Pour
finir, il a été dit qu'à maintes reprises les Andriandranando
ont fait preuve de leur serieux si bien que des postes à responsabilité
peuvent leur en être confiés.
CLASSEMENT
DES NOBLES MERINA :
Au temps de Ralambo (1575 - 1610)
1 - Zanadralambo
2 - Andriantompokoindrindra, Andrianamboninolona, Andriandranando
Au
temps d' Andriamasinavalona (1675 - 1710)
1 - Zazamarolahy
2 - Andriamasinavalona
3 - Andrianteloray : Andriantompokoindrindra, Andrianamboninolona, Andriandranando
4 - Zanadralambo
Au
temps d'Andrianampoinimerina (1787 - 1810)
1 - Izy mirahalahiavy, Izy mirahavaviavy
2 - Zanakandriana
3 - Zazamarolahy
4 - Andriamasinavalona
5 - Andrianteloray
Andriantompokoindrindra
Andrianamboninolona
Andriandranando
6 - Zanadralambo
BIBLIOGRAPHIE
1
- R. P. CALLET, 1908, Ny tantaran'ny Andriana, Edition 1981, Imprimerie
Nationale 1243 p
2
- FIRAKETANA NY FITENY SY NY ZAVATRA MALAGASY, 1937 à 1967 article
Andriandranando p 129-132, Andrianteloray p 152-155
3
- MPANOLO-TSAINA,
n° XVII - XX - 1908 : pp 45 à 48 Andriamifidy : Andriana
Vol X n° 40x1913 p 209 à 216 Andriandranando
Toko I : Ny razana nihavian' Andriandranando
Toko II : Ny nanatonan' Andriandranando an'Andriamanelo
Vol n° XI n° 41 janvier 1914
Toko III : Ny taranak' Andriandranando
Toko IV : Ny amin'Andrianteloray'
4
- RAFOLO Andrianaivoarivony et RANDRIANARIVELO Benjamina
De quelques aspects de l'histoire de Madagascar : l'épopée
des Andriandranando
- Note sur Ambohimailala
- Caractéristique et évolution du groupe des Andriandranando
Imprimerie de Madagascar, 1993, 45 p
5
- RALAIMIHOATRA Edouard
Histoire de Madagascar
4è édition, Editions de la librairie de Madagascar, 1982,
320 p
6
- RASAMOELINA Désiré
Les Andriandranando, un groupe nobiliaire d'Imerina
Mémoire de l'EHESS, Paris, 1975 199 p.
Version
malgache du résumé

|